Hankany amin'ny vontoatiny

Faidherbia

Avy amin'i Wikipedia
Faidherbia albida

Ny Faidherbia dia antokon-javamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Fabaceae, izay tsy manana afa-tsy karazany iray, dia ny Faidherbia albida, izay tafiditra ao anatin' ny antoko Acacia teo aloha, amin' ny anarana hoe Acacia albida. Teratany ao Afrika sy any Atsinanana Afovoany ity karazana ity ary efa nampidirina tany Pakistana sy India ihany koa.

Faidherbia albida

Hazo misy tsilo sy mahatratra haavo 6 hatramin' ny 30 m ary manana savaivo hatramin' ny 2 m ny Faidherbia. Mahatonga azy hahazaka ny hain-tany ny fakany lalina. Volondavelona ny hodiny, ary misy triatratriatra rehefa antitra. Misy vihim-boany dia miisy 11 000 isanky ny kilao.

Faritra ahitana ny Faidherbia

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]