Fahafinaretana

Ny fahafinaretana dia fihetseham-po na fahatsapa zavatra miteraka fahasambarana miserana, izay tena ilaina amin' ny fiasan' ny rafitra hedônika ao amin' ny biby mampinono, izay mety ho tsapan' ny biby manana hazondamosina hafa koa. Mifanohitra amin' ny fanaintainana na fijaliana, izay endrika fahatsapana ratsy, izany. Maro karazana ny hetsika mety ho tsapa ho mahafinaritra, toy ny misakafo, ny manao firaisana ara-nofo, mihaino mozika na mandray anjara amin' ny lalao, ny manjifa zavatra isan-karazany toy ny zava-mahadomelina izay mety hiteraka fiankinan-doha. Ny fahasambarana (izay maharitra sy mifandanja) sy ny fahasalamana dia mifandray akaiky amin' ny fahafinaretana fa tsy mitovy aminy. Tsy misy fifanarahana amin' ny ankapobeny raha tokony ho raisina ho fahatsapana, toetran' ny traikefa, fihetsika manoloana ny traikefa na hafa. Ny fahafinaretana dia mitana anjara toerana lehibe ao amin' ny vondrona petra-kevitra filôzôfika antsoina hoe hedônisma. Ny hoe "fahafinaretana" dia ampiasaina amin' ny filôzôfia sy psikôlôjia, matetika mifandray amin' ny teny milaza toetra: fahafinaretana ara-nofo, ara-tsakafo, ara-tsaina, araka asa, ara-môraly, araka adidy, sns.