Hankany amin'ny vontoatiny

Fahafahan-jaza

Avy amin'i Wikipedia

Amin’ ny biby mampinono, ny fahafahan-jaza dia fifaranan' ny fitondrana vohoka alohan’ ny fahaterahan’ ny zazakely nefa tsy an-tsitra-po. Ny reny nitrangan' ny fahafahan-jaza no atao hoe afa-jaza. Tonga ho azy ny fahafahan-jaza, matetika noho ny zavatra tsy nety tao amin' ny fitondrana vohoka. Rehefa mitranga izany, dia atao hoe afa-jaza ilay vehivavy. Ny olombelona dia afaka mamarana ihany koa ny fitondrana vohoka alohan' ny fiterahana, ka izany no atao hoe fanalan-jaza.

Ohabolana malagasy

[hanova | hanova ny fango]
  • Aza atao fively amponga ny havana, ka ny ambaviny tambatambazana toy ny manana anaka, fa ny andahiny dobodobohina ho afa-jaza.
  • Aza maniry manana anaka, fandrao afa-jaza.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]