Fôrba
Ny fôrba dia zavamaniry ahitra misy raviny mivelatra sy tsy mirazotra sisina. Izy ireo dia zavamaniry mamony izay tsy graminôida. Ampiasaina amin' ny bôtanika sy amin' ny ekôlôjian' ny zavamaniry io teny io indrindra amin' ny fifandraisana amin' ny sahalava sy ambanin' ny ala. Amin' ny ankapobeny, ireo zavamaniry ireo dia Eudicotyledoneae tsy misy rantsany manana tambatsela mafy toy ny an' ny hazo.
Ny ankamaroan' izy ireo dia zavamaniry roa ravin-tsimoka. Mety haniry isan-taona, na maharitra roa taona na an-taonany maro izy ireo. Ny fôrba dia mifanohitra amin' ny graminôida, izay zavamaniry ahitra misy raviny lava sy tery, manana sisina mirazotra, toy ny bozaka sy ny harefo ary ny herana.
Indreto ny fianakavian-javamaniry anisan' ny fôrba araka ny fanasokajiana klasika:
- Acanthaceae, Aizoaceae, Amaranthaceae, Apiaceae, Apocynaceae, Asclepiadaceae, Asteraceae,
- Balsaminaceae, Begoniaceae, Boraginaceae, Brassicaceae, Buxaceae,
- Campanulaceae, Cannabaceae, Caryophyllaceae, Chenopodiaceae, Clusiaceae, Convolvulaceae, Crassulaceae, Cucurbitaceae, Cuscutaceae,
- Dipsacaceae,
- Ericaceae, Euphorbiaceae,
- Fabaceae,
- Gentianaceae, Geraniaceae, Gunneraceae,
- Haloragaceae, Hydrophyllaceae,
- Lamiaceae, Lentibulariaceae, Limnanthaceae, Linaceae, Lythraceae,
- Malvaceae, Moraceae,
- Nyctaginaceae,
- Onagraceae, Orobanchaceae, Oxalidaceae,
- Papaveraceae, Phytolaccaceae, Plantaginaceae, Plumbaginaceae, Polemoniaceae, Polygonaceae, Portulacaceae, Primulaceae,
- Ranunculaceae, Resedaceae, Rosaceae, Rubiaceae,
- Scrophulariaceae, Solanaceae,
- Thymelaeaceae,
- Urticaceae,
- Valerianaceae, Verbenaceae, Violaceae,
- Zygophyllaceae