Evanjely armenianan'ny Fahazazana

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny Evanjely armenianan'ny Fahazazana dia evanjely apokrifa voasoratra taty aoriana lavitra, izay voasoratra tsy talohan'ny taonjato faha-6, izay mitantara ny fahaterahana sy ny fahazazan'i Jesoa. Ahitana lovantsofina itambarany amin'ny Protevanjelin'i Jakoba sy ny Evanjelin'i Pseodo-Matio ary ny Evanjelin'ny Fahazazana araka an'i Tomasy ity evanjely ity.

Naka ny andalan-tsoratra tao amin'ny Testamentan'i Adama io boky io ka mamelatra ao amin'ny toko faha-11 ny ampahan-tantara momba ny fiavian'ireo mpanjaka magy izay voatantara amin'ny fomba be andinindininy sy nanonona voalohany ny anaran'ireo magy ireo, dia i Melkona (na Melkiora) mpanjakan'ny Persiana sy i Gasparda mpanjakan'ny Hindoa ary i Baltazara mpanjakan'ny Arabo.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]

Ireto ny evanjelin'ny fahazazana: