Evanjely arabon'ny Fahazazana

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny Evanjely arabon'ny Fahazazana izay fantatra ihany koa amin'ny anaran hoe Evanjely siriakan'ny Fahazazana na Fiainan'i Jesoa amin'ny fiteny arabo dia boky apokrifa kristiana mitantara ny nahaterahana sy ny fahazazan'i Jesoa izay ahitana zava-mahagaga betsaka. Mety tany amin'ny taonjato faha-6 tany no nanoratana azy sady avy tamin'ny Evanjelin'ny Fahazazana araka an'i Tomasy sy ny Protevajelin'i Jakoba no nanoratana azy.

Heverina fa ny dika voalohan'ity soratra apokrifa ity dia tamin'ny fiteny siriaka tamin'ny taonjato faha-5 na faha-6. Ny dikan-teny arabo navoakan'i Henry Sike tamin'ny taona 1697 tamin'ny fiteny latina no nahalalan'ny Tandrefana azy.

Azo zaraina teno ny boky:

  1. Ny fahaterahan'i Jesoa, izay naka loharano tamin'ny Protevanjelin'i Jakoba;
  2. Ny fahagagana nandritra ny fandosirana tany Ejipta, izay mety novelarina avy ao amin'ny lovantsofim-paritra;
  3. Ny fahagagana nataon'i Jesoa tamin'ny fahazazany, izay aorina amin'ny Evanjelin'ny Fahazazana araka an'i Tomasy.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]

Ireo evanjelin'ny fahazazana