Evanjelin' ny Fahazazana araka an' i Tômasy

Avy amin'i Wikipedia
Mampanidina ny vorona tanimangan' ny namany i Jesoa (Klosterneuburger Evangelienwerk, taonjato faha-14)

Ny Evanjelin' ny Fahazazana araka an' i Tômasy dia soratra apôkrifan' ireo Kristiana voalohany. Tany amin' ny taonjato faha-3 no mety nanombohana nanoratra azy sady nampiasa loharano tranainy indrindra. Hita taratra ao ny hevitra avy amin' ny Gnôstika sy ny hevitra hafa koa avy amin' ireo Ebiônita. I Ireneo avy any Logdanoma dia miresaka ny amin' ny Evanjelin' i Tômasy iray izay sokajiany ho soratra gnôstika, ka mety ho ny Evanjelin' i Tomasy izay nahitana ny lahatsoratra manontolo tany Nag Hammadi tao Ejipta tamin' ny taona 1945. Io boky io dia fanangonan-dresak' i Jesoa izay voasoratra tamin' ny vanim-potoana mitovy amin' ny nanoratana ireo Evanjely kanônika sady tsy misy ifandraisany amin' ity fitantarana ny fahazazan' i Jesoa ity sady vosoratra aoriana lavitra.

Mitantara io boky io fa nampanidinin' i Jesoa ny vorona tanimanga ary nataony jamba izay olona tsy nankasitrahany. Mitantara ny fitaizana an' i Jesoa sy ny fianarany mamaky teny koa io evanjely io. Tantarainy ny fampiasan' i Jesoa ny herin' Andriamanitra ao aminy izay nampiasainy kokoa amin' ny fanasitranana fa tsy amin' ny famonoana (ao amin' ny lahatsoratra tokoa dia namono zaza roa i Jesoa vokatry ny hatezerany).

Fitantarana hita amin' ny lovantsofina mozilmana sy amin' ny fitantarana arabo momba ny fahazazan' i Jesoa/Isa. Ny perikôpa momba ny "vorona tanimanga" dia hita ao amin' ny sorata 3:49 sy 5:110 ao amin' ny Kor'any.

Ity boky apôkrifa ity dia tsy tokony hafangaro amin' ny Filazantsaran' i Tômasy, na amin' ny Bokin' i Tômasy na amin' ny Asan' i Tômasy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Ireo evanjelin' ny fahazazana

Boky amin' ny anaran' i Tômasy: