Euphorbia tirucalli

Ny Euphorbia tirucalli dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Euphorbiaceae ia. Zavamaniry minofon-kazo sy manana sampana maitso varingarina (toy ny fantsona) izy io; teratany eto Madagasikara izy saingy hita ao Afrika sy any Azia ihany koa, indrindra any amin' ny faritra mafana sy maina an-tany somary efitra. Ampiasaina amin' ny fitsaboana nentim-paharazana ny ranony fotsy izay tena misy poizina. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe famata, famatafotsy, famatalaro ary famataletandro. Ny anarany feno dia Euphorbia tirucalli L.. Anarana ahafantarana azy koa ny hoe Euphorbia geayi Constantin et Gallois sy Euphorbia laro Drake.
Anarana
[hanova | hanova ny fango]Mahatratra 13 ny anarana ara-tsiansa ahafantarana ny Euphorbia tirucalli[1], dia ireto tanisaina manaraka ireto:
- Arthrothamnus tirucalli (L.) Klotzsch & Garcke (1859)
- Tirucalia indica Raf. (1838)
- Tirucalia tirucalli (L.) P.V.Heath (1996)
- Euphorbia tirucalli rhipsaloides (Willd.) A.Chev.
- Euphorbia rhipsaloides Lem.
- Euphorbia media bagshawei N.E.Br.
- Euphorbia media N.E.Br.
- Euphorbia laro Drake
- Euphorbia geayi Costantin & Gallaud
- Euphorbia viminalis Mill., nom. illeg.
- Euphorbia suareziana Croizat
- Euphorbia scoparia N.E.Br.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]
Miavaka noho ny endriny be sampana sy toa tsy misy ravina (tsy ahitana ravina miharihary) ary noho ny fahafahany mivelona tsara amin' ny tontolo maina ny Euphorbia tirucalli. Hazobotry lehibe na hazo madinika izy io, izay misy lahy sy vavy (diôika), ary mety hahatratra 4 ka hatramin' ny 9 m ny haavony any amin' ny toerana misy azy voajanahary. Misy ranoka fotsy sady marihtra (lateksa) ao amin' ny faritra rehetra amin' ilay zavamaniry, ranoka io izay tena mahamasaka ny hoditra sy misy poizina. Mivoaka be dia be io ranoka fiarovana io raha vao misy ratra kely fotsiny eo amin' ny tahony. Miteraka fanaintainan' ny hoditra izy io, ary mety hanimba ny maso, na vetivety na maharitra, raha sendra mahazo ny maso.
Taho sy rantsana
[hanova | hanova ny fango]

Varingarina sady malama sy be nofo ary maitso ny tahon' ny Euphorbia tirucalli. Manana savaivony eo amin' ny 5 ka hatramin' ny 7 mm eo ho eo izy ireo ary milahatra manodidina na mizara roa mifanandrify. Mamorona vondrona matevina sy mikitroka ahitana sampana kely maro mitovitovy endrika amin' ny penisilihazo ny tampony. Rehefa mihaantitra ny sampana dia very ilay lokony maitso ary lasa manana hoditra marokoroko sy mafy toy ny an' ny hazo, sady miloko volondavenona.
Ravina
[hanova | hanova ny fango]
Kely sady miendrika tsipika lava sy maranitra ny ravin' ny Euphorbia tirucalli, ka zara raha mahatratra 1 ka hatramin' ny 2 sm ny halavany. Tsy maharitra ela ireo ravina ireo fa malaky mihintsana. Vokatr' izany dia ny tahony maitso no manatanteraka ny ampahany be amin' ny fôtôsintezy.
Vony
[hanova | hanova ny fango]Eo amin' ny tendron' ny rantsana tanora ny vondrombonin' ny Euphorbia tirucalliary kely ny voniny izay miloko mavo na maitso mavo, ary tsy manana ravimbony sy felambony miavaka tsara. Voahodidin' ny fihary mamokatra mamimbony miloko mavo izy ireo.
Voa
[hanova | hanova ny fango]
Boribory toy ny baolina ny voan' ny Euphorbia tirucalli, izay karazana kapsily misy fizarana telo sady somary misy volo madinika, ary misokatra sy mipoaka mafy rehefa matoy mba hivoahan' ny vihim-boany.
Faritra ahitana azy
[hanova | hanova ny fango]
Araka ny voalazan' ny Plants of the World Online (POWO)[1]dia i Madagasikara no toerana niavian' ity karazana zavamaniry ity. Nampidirina tany amin' ny firenena maro ao Afrika sy any Azia izy io, ka nanjary toy ny teratany tao amin' ireo faritra ireo. Midadasika ny faritra misy azy ao Afrika, manomboka any Eastern Cape (Afrika Atsimo) ka hatrany amin' ny faritra avaratra indrindra any Etiôpia sy any Sodàna. Hita any amin' ny faritra avaratra-atsinanana sy afovoany ary atsimo amin' ilay kôntinanta izy io, ary koa ao amin' ny Saikinosin' i Arabia.

Nampidirina tany amin' ny faritra trôpikaly hafa izy io, indrindra fa tany amin' ny Zana-kôntinanta Indiana. Hita betsaka any Srilanka izy io[2]. Hita any amin' ny faritra atsinanana kokoa ilay zavamairy: any Mianmara, any Tailandy, any Sina, any Malezia, any Vietnamy, any Java, ary any Taiwan. Hita any Tonizia, any Ganà, any Ginea, ary any Espaina ihany koa izy io[1]. Mety ho nentin' ny mpivarotra sy tantsambo fahiny avy any Afrika Atsimo nankany India sy ny faritra Atsinanana Indrindra izy io[3].
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Euphorbia
- Famata: Cynanchum danguyanum Choux; Euphorbia xylophylloides Brongn. ex Lem.; Euphorbia leucodendron Drake; Euphorbia decorsei Drake; Euphorbia oncoclada Drake; Euphorbia stenoclada Baill.; Euphorbia tetraptera Baker; Euphorbia tirucalli L. (← Euphorbia geayi Constantin et Gallois na Euphorbia laro Drake)
- Famatafotsy: Euphorbia decorsei Drake; Euphorbia tirucalli L. (← Euphorbia geayi Constantin et Gallois na Euphorbia laro Drake)
Loharano
[hanova | hanova ny fango]- 1 2 3 POWO: Euphorbia tirucalli L. [arsiva]
- ↑ "Euphorbia tirucalli L.", Ayurveda Plants of Sri Lanka [arsiva]
- ↑ "Euphorbia tirucalli L.", South Africa National Biodiversity Institute, PlantZAfrica.com, [arsiva]