Euphorbia hirta
Ny Euphorbia hirta dia karazana zavamaniry ahitra ao amin' ny fianakaviana Euphorbiaceae, izay heverina ho ahidratsy, hita maniry amin' ny faritra trôpikaly rehetra, avy any amin' ny faritra mafana any Amerika, ao amin' ny fianakaviana Euphorbiaceae. Izy io dia ahitra misy volovolo izay maniry amin' ny kijana malalaka sy eny amoron-dalana ary eny amin' ny lalan-kely. Anarany ara-tsiansa teo aloha koa ny hoe Chamaesyce hirta.
Amin' ny teny malagasy ity zavamaniry ity dia atao hoe ahidinono, ahidronono, aidinono, fampinonoana, kironono, tambavy, tanampotsihelika, tsimenamena ary zanraobera.

Ampiasaina betsaka amin' ny raokandro nentim-paharazana ao amin' ny kolontsaina maro izy io, indrindra amin' ny fitsaboana ny sohika (na asma) sy ny aretin' ny hoditra ary ny fiakaran' ny tosi-drà. Ampiasaina amin' ny endrika tambavy ihany koa izy io mba hatao fanafody nentim-paharazana hitsaboana ny fanaviana any Filipina , indrindra hiadiana amin' ny dengy sy ny tazomoka.
Fampiasana azy
[hanova | hanova ny fango]Ampiasaina amin' ny fitsaboana aretina sy katsentsitra an-tsinay ny ahidronono. Ny tahony sy ny raviny dia alona na tanehina anaty rano hitsaboana ny aretim-pivalanana, ny fery amin' ny vavony na ny tsinay, ny fiakaran' ny asidra ao amin' ny vavony, ny fandoavana sy fivalanan-dra vokatry ny amiba, ny aretin' ny taovam-pisefoana, ny tsy fahampian' ny rononon-dreny, ny fanaviana, ary ny tsy fandehanan' ny amany.
Ampiasaina ho fanontsanam-bava hitsaboana ny fanaintainan' ny hihy koa ny ahidronono. Eto Madagasikara dia atao tambavy hitsaboana ny olan' ny fitaovam-pamaniana sy ny fadimbolana manaintaina amin' ny vehivavy ny raviny. Any Nouvelle-Calédonie dia apetaka amin' ny votsy ny ranony toa rononony mba hitsaboana izany. Inoana ihany koa fa miaro amin' ny vokatry ny kaikitry ny bibilava sy ny maingoka izy io.