Euphorbia alluaudii

Ny Euphorbia alluaudii dia karazana zavamaniry ao amin' ny fianakaviana Euphorbiaceae, izay tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara. Ny toeram-paniriany voajanahary dia ny ala maina (na any amin' ny faritra trôpikaly na sobtrôpikaly) sy ny kirihitra maina ary ny faritra be vatolampy. Atahorana ho lany tamingana izy io noho ny fihenan' ny toeram-paniriany. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe befohetsy, befotsy, betondro, famata, famatabetondro, famatalava, famatambotsy ary rohondro. Euphorbia alluaudii Drake no anarany feno ary anarana nahafantarana azy koa ny hoe Euphorbia leucodendron Drake. Hita ao amin' ny faritanin' i Fianarantsoa sy ny faritanin' i Mahajanga ary ny faritanin' i Toliara izy io.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]Mitovitovy endrika amin' ny hazobotry kirihitra misy rantsana tena misandrahaka ny Euphorbia alluaudii. Mitombo izy ka lasa hazo madinika manana haavo mirefy 1 ka hatramin' ny 4 m (ary mety hahatratra 6 m any amin' ny toerana misy azy voajanahary). Ireo rantsany mijoro no mivoatra mitsangana manomboka eo amin' ny fotony, avy eo miolana kely mivoaka ivelany.
Rantsana
[hanova | hanova ny fango]
Ny rantsan' ny Euphorbia alluaudii no taova manao ny fôtôsentezy lehibe indrindra ao aminy. Miendrika varingarina izy ireo sady be nofony sy mitahiry ranony betsaka ary tsy misy tsilo. Miovaova eo anelanelan' ny 0,5 sy 1,5 sm ny savaivony. Mifaritra mazava tsara ny tonony tsirairay amin' ny sampana. Tena kely ny tonon' ny zana-karazana Euphorbia alluaudii subs. oncoclada ka manome endrika saosisy an' ilay zavamaniry. Mifanadrify amin' ny fizaran-taonan' ny fitomboana ny vaniny tsirairay. Malama ny hodiny maitso tanora ka hatramin' ny maitso manopy mavo. Miparitaka manerana ny hodiny ny olatra somary manja na mainty navelan' ny fihintsanan' ny raviny. Tahaka ny hita amin' ny karazana Euphorbia rehetra, dia misy lateksa fotsy sy madity ary poizina (indrindra ho an' ny hoditra sy ny maso) ny tambatselany rehetra.
Ravina
[hanova | hanova ny fango]Kely dia kely ny ravin' ny Euphorbia alluaudii izay miendrika lavalava sady miseho miserana (malaky mihintsana) amin' ny lohataona na amin' ny fizaràn-taona mafana ary mivondrona toy ny borosy fandokoana. Mirefy 1 hatramin' ny 1,5 sm ny halavany. Mihintsana haingana izy ireo mba hamerana ny fahaverezan-drano noho ny hatsembohany, ka mahatonga ilay zavama iry tsy hisy ravina saika mandritra ny taona.
Vony
[hanova | hanova ny fango]
Mamony amin' ny lohataona sy amin' ny fahavaratra ny Euphorbia alluaudii. Mitambatra ho vondrombony kely matevina ny voniny izay maitso-mavo sy madinika eny an-tendron-drantsana ary tsy dia misehoseho.
Anarana ahafantarana azy
[hanova | hanova ny fango]Indreto ny anarana hafa ahafantarana ny Euphorbia alluaudii:
- Euphorbia leucodendron Drake
- Euphorbia oncoclada Drake
- Tirucallia alluaudii (Drake) P.V.Heath
Zana-karazana
[hanova | hanova ny fango]Manana zana-karazana ny Euphorbia alluaudii:
- Euphorbia alluaudii subsp. alluaudii
- Euphorbia alluaudii subsp. oncoclada
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Euphorbia
- Betondro: Euphorbia alluaudii Drake (← Euphorbia leucodendron Drake na Euphorbia oncoclada Drake)(Euphorbiaceae); Polyscias boivinii (Seem.) Bernardi (Araliaceae);
- Famata: Cynanchum danguyanum Choux; Euphorbia xylophylloides Brongn. ex Lem.; Euphorbia laro Drake; Euphorbia leucodendron Drake; Euphorbia decorsei Drake; Euphorbia alluaudii (← Euphorbia oncoclada Drake na Euphorbia leucodendron Drake); Euphorbia stenoclada Baill.; Euphorbia tetraptera Baker (← Euphorbia bakeriana Baill.); Euphorbia tirucalli L.
- Rohondro: Alluaudia dumosa (Drake) Drake (Didiereaceae); Euphorbia alluaudii (← Euphorbia oncoclada Drake na Euphorbia leucodendron Drake) (Euphorbiaceae)