Hankany amin'ny vontoatiny

Euphorbia

Avy amin'i Wikipedia
Euphorbia confinalis
Euphorbia dendroides
Euphorbia serrata

Ny Euphorbia dia antokon-javamaniry mamony, roa ravin-tsimoka, ao amin' ny fianakaviana Euphorbiaceae. Manana vondrom-bony miavaka izy ireo, toetra itovian' ny Euphorbia amin' ny antokon-javamairy akaiky azy vitsivitsy ihany. Tahaka ny antoko rehetra ao amin' ny Euphorbiaceae, izy ireo dia zavamaniry misy poizina, misy lateksa (ranoka toa ronono) izay mety hampalailay na hampangirifiry be indraindray. Miseho amin' ny endrika maro samihafa ity antoko ity, ahitana karazana misy rantsana miboridana sy kely na manify sy raviny mivelatra sy mitombo haingana (zanak' antoko Esula sy Chamaesyce). Ny hafa, mifanohitra amin' izany, dia misy ranony betsaka sy matevin-dravina, mitovy amin' ny Cactaceae (raketa), manana ravina kely dia kely sy tsilo mafy na tsia (zanak' antoko Athymalus (na Rhizanthium taloha sy zanak' antoko Euphorbia hafa). Mety hiseho amin' ny endrika zavamaniry ahitra na hazobotry na hazo izy ireo arakaraka ny karazana. Misy karazana miisa 2 000 ity vondron-karazana ity.

Karazana notsongaina

[hanova | hanova ny fango]
Euphorbia obesa
Euphorbia caput-medusae
Euphorbia resinifera

Indreto misy karazana Euphorbia miavaka:

  • Euphorbia abdelkuri Vierh.
  • Euphorbia abyssinica J.F.Gmel.
  • Euphorbia ammak Schweinf.
  • Euphorbia antiquorum L.
  • Euphorbia caducifolia Haines
  • Euphorbia caput-medusae L.
  • Euphorbia decaryi Guillaumin
  • Euphorbia echinus Hook.f. & Coss.
  • Euphorbia esula L.
  • Euphorbia francoisii Leandri
  • Euphorbia grandicornis Blanco
  • Euphorbia heterophylla L.
  • Euphorbia hirta L.
  • Euphorbia horrida Boiss.
  • Euphorbia humifusa Willd. ex Schltdl.
  • Euphorbia ingens E.Mey. ex Boiss.
  • Euphorbia lactea Haw.
  • Euphorbia lathyris L.
  • Euphorbia mellifera Aiton
  • Euphorbia milii Des Moul.
  • Euphorbia nicaeensis All.
  • Euphorbia obesa Hook.f.
  • Euphorbia officinarum L.
  • Euphorbia parviflora L.
  • Euphorbia piscidermis Marn.-Lap.
  • Euphorbia pulcherrima Willd. ex Klotzsch
  • Euphorbia resinifera O.Berg
  • Euphorbia royleana Boiss.
  • Euphorbia stenoclada Baill.
  • Euphorbia tirucalli L.
  • Euphorbia virosa Willd.

Karazana misy eto Madagasikara

[hanova | hanova ny fango]
Zavamaniry madagasikara (Euphorbia pulcherrima)
Euphorbia hirta

Eto Madagasikara, be dia be ny karazana ao amin' ny Euphorbia, izay miisa 150 hatramin' ny 170 eo ho eo, ary tsy fahita afa-tsy eto amin' ny Nosy ny ankamaroany. Maro ny karazana nefa vitsy ny anarana malagasy anondroana azy ireo: ohatra, ny hoe "famata" dia manondro karazana enina fara fahavitsiny (Euphorbia alluaudii, Euphorbia decorsei, Euphorbia xylophylloides, Euphorbia stenoclada, Euphorbia tetraptera ary Euphorbia tirucalli); ny hoe "matahotrantsy" manondro karazana telo fara fahavitsny (Euphorbia bakeriana, Euphorbia boivinii, Euphorbia erythroxyloides), ny hoe "famatafoty" (Euphorbia decorsei sy Euphorbia tirucalli) manondro karazana roa.

Inty misy lisitry ny karazana notsongaina:

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanaarihana

[hanova | hanova ny fango]