Hankany amin'ny vontoatiny

Eugenia

Avy amin'i Wikipedia
Eugenia sprengelii

Ny Eugenia dia vondron-karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Myrtaceae. Hita maneran-tany izy io, na dia tsy mitovy aza, any amin' ny faritra trôpikaly sy sobtrôpikaly. Hita any amin' ny faritra trôpikaly amin' ny Tontolo Vaovao ny ankamaroan' ny karazana izay miisa 1 100 eo ho eo, indrindra fa any Andes, any amin' ny ilany atsinanan' i Brezila, any Karaiba, ary any amin' ny ala amin' ny morontsirak' i Atlantika. Anisan' ny ivom-pahasamihafana hafa koa i Nouvelle-Calédonie sy i Madagasikara. Karazana maro ao amin' ny Tontolo Taloha no nahazo fanasokajiana vaovao ho ao amin' ny vondron-karazana Syzygium.

Hazo sy hazobotry manana ravina maitso lalandava ny karazana rehetra. Maro no ambolena ho haingon-trano noho ny raviny manjelanjelatra manintona, ary ny vitsivitsy sasany dia mamokatra voany azo hanina izay hohanina amin' izao fotsiny na ampiasaina amin' ny fanamboarana kônfitira sns.

Fanasokajiana sy karazana

[hanova | hanova ny fango]

Fanasokajiana

[hanova | hanova ny fango]

Tany aloha, ny bôtanista sasany dia nampiditra ny karazana Syzygium ao amin' ny Tontolo Taloha ao amin' ny Eugenia, saingy ny fikarohana nataon' i Rudolf Schmid tamin' ny fiandohan' ny taompolo 1970 dia naharesy lahatra ny ankamaroan' ny bôtanista fa mora sarahina ity vondron-karazana ity.

Karazana maro tao amin' ny Eugenia taloha no nafindra ao amin' ny Syzygium. Nisy roa hafa nafindra ao amin' ny Pimenta. Tafiditra tao amin' ny Eugenia taloha ny vondron-karazana Hottea sy Calyptrogenia ary Pseudanamomis any Karaiba. Tao amin' ny Eugenia ihany koa ny vondron-karazana indiana Meteoromyrtus izay tsy ahitana afa-tsy karazana tokana.

Karazana nofantenana

[hanova | hanova ny fango]
  • Eugenia angustissima O.Berg
  • Eugenia azeda M.Sobral
  • Eugenia brasiliensis Lam. – (Brezila)
  • Eugenia brevistyla D.Legrand (Brezila)
  • Eugenia calycina Cambess. -
  • Eugenia candolleana
  • Eugenia capensis – (Afrika Atsimo)
  • Eugenia cerasiflora Miq.
  • Eugenia cereja D.Legrand
  • Eugenia copacabanensis – (morontsirak' i Atlanticka, ao amin' ny fanjakan' i Rio de Janeiro any Brezila)
  • Eugenia coronata
  • Eugenia dysenterica DC. a.k.a. Stenocalyx dysentericus O.Berg
  • Eugenia earthiana (Kôsta Rika)
  • Eugenia ekmanii
  • Eugenia fernandopoana
  • Eugenia florida
  • Eugenia foetida
  • Eugenia fulva
  • Eugenia involucrata
  • Eugenia klotzschiana O.Berg
  • Eugenia koolauensis O.Deg – (Vondronosy Molokaʻi sy Oʻahu any Hawaii)
  • Eugenia lamprophylla
  • Eugenia luschnathiana Klotzsch & O.Berg – (Bahia, Braezila),tsy afangaro amin' ny Talisia esculenta
  • Eugenia mabaeoides Wight.
  • Eugenia neomyrtifolia
  • Eugenia orbiculata
  • Eugenia palumbis
  • Eugenia petrikensis
  • Eugenia pitanga (O.Berg ex Mart.) Kiaersk.
  • Eugenia punicifolia (Kunth) DC.
  • Eugenia pyriformis Brazil
  • Eugenia pruniformis Brazil
  • Eugenia reinwardtiana (Blume) DC. – (Queensland any Aostralia, Indônezia, nosy maro any Pasifika)
  • Eugenia repanda
  • Eugenia roxburghii DC.
  • Eugenia selloi
  • Eugenia sellowiana
  • Eugenia singampattiana Beddome
  • Eugenia speciosa
  • Eugenia stipitata McVaugh – (Alan' i Amazona)
  • Eugenia subterminalis
  • Eugenia sulcata
  • Eugenia truncata
  • Eugenia umtamvunensis (Afrika Atsimo)
  • Eugenia uniflora L. – (Neôtrôpika)
  • Eugenia uruguayensis Cambess.
  • Eugenia victoriana – guayabilla (ilany avaratra amin' i Amerika Atsimo)

Karazana maniry eto Madagasikara

[hanova | hanova ny fango]

Indreto ny karazana Eugenia sasany maniry eto Madagasikara:

  • Eugenia andapae
  • Eugenia antongilensis
  • Eugenia ardyceae
  • Eugenia arenicola
  • Eugenia arnautovii
  • Eugenia barriei
  • Eugenia bemangidiensis
  • Eugenia bernieri
  • Eugenia cassinoides
  • Eugenia cloiselii
  • Eugenia delicatissima
  • Eugenia diospyroides
  • Eugenia echinulata
  • Eugenia gandhii
  • Eugenia guajavoides
  • Eugenia guillauminii
  • Eugenia hazonjia
  • Eugenia iantarensis
  • Eugenia lacerosepala
  • Eugenia louisae
  • Eugenia mabaeoides
  • Eugenia madagascariensis
  • Eugenia malcomberi
  • Eugenia manamboensis / manomboensis
  • Eugenia manonae
  • Eugenia nosibensis
  • Eugenia obovatifolia
  • Eugenia petrikensis
  • Eugenia punctiphylla
  • Eugenia quadriphylla
  • Eugenia ranomafana
  • Eugenia roseopetiolata na rosapetiolata
  • Eugenia rutenbergii
  • Eugenia sakalava
  • Eugenia stibephylla
  • Eugenia stictophylla
  • Eugenia uniflora
  • Eugenia vanwykiana

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]