Hankany amin'ny vontoatiny

Etona hamatra

Avy amin'i Wikipedia

Ny etona hamatra dia zana-bondron' ny singa simika ao amin' ny vondrona 18 ("vondrona VIIIA" na "vondrona 0" taloha) ao amin' ny tabilao periôdika. Indreto izy ireo, izay miisa enina: heliôma (2He), ny neôna (10Ne), ny argôna (18Ar), ny kriptôna (36Kr), ny ksenôna (54Xe), ary ny radôna (86Rn), ity farany dia radiôaktifa, ary 3,8 andro ny antsasa-piainan' ny radôna 222, ny miratoerany marin-toerana indrindra.

Izy ireo dia mamorona fianakavian-tsinga simika mitovitovy amin' ny etona mônôatômika tsy misy loko sy tsy misy fofona izay tsy manao fiota simika firy, na tsy mihetsika tanteraka mihitsy aza ho an' ny roa maivana indrindra -- afa-tsy amin' ny fepetra manokana. Ny ôganesôna (118Og), izay singa voatr' olombelona, dia tena tsy marin-toerana, izay hita tamin' ny taona 2002 ary nosokajina ao amin' ny vondron' ny etona hamatra noho ny antony ara-tsingerina, nefa mety tsy hitovy amin' ny an' ny etona hamatra mahazatra ny tena toetrany.

Ny anarana hoe "etona hamatra" dia avy amin' ny tsy fahampian' ireo etona ireo amin' ny maha akora simika azy taloha. Diso ara-teknika io anarana io satria ny heliôma dia 24 % amin' ny zaka bariônika manerana izao rehetra izao, ary ny argôna dia 0,93 % amin' ny atmôsferan' ny Tany manandrify ny haambon' ny ranomasina, noho izany dia tsy marina ny filazana azy ireo ho tsy fahita firy na hamatra.

An-jatony vitsivitsy monja ny tambatr' etona hamatra fantatra, indrindra amin' ny ksenôna. Amin' ny tsindrin' ny atmôsfera dia tsy mihoatra ny 10 °C ny elanelana misy eo amin' ny maripanam-pangotrahana sy ny maripanam-piempoan' ny etona hamatra, noho izany dia tsy misy afa-tsy amin' ny heba-maripana tena tery ny ranoka amin' izy ireo.

Azo avy amin' ny rivotry ny atmôsfera ny neôna, ny argôna, ny kriptôna ary ny ksenôna, amin' ny alalan' ny fampiranohana sy ny fanasitiliana misaratsaraka. Azo avy amin' ny etona voajanahary ny heliôma, amin' ny fampiasana teknika fanasarahana amin' ny maripana ambany dia ambany (latsaky ny −150 °C). Matetika ny radôna dia azo avy amin' ny fandravana radiôaktifa ny tambatry ny radiôma, ny tôriôma, na ny oraniôma levona.

Ny toetra tsy mihontsin' ny etona hamatra ara-tsimia dia mahatonga azy ireo hilaina amin' ny fampiharana rehetra izay tsy ilana fiota simika. Ampiasaina amin' ny fanamboarana takamoa mandoro sarikofehy ny argôna mba hisorohana ny harafesin' ilay sarikofehy vita amin' ny tongstena. Ampiasaina amin' ny antsirika any anaty ranomasina ny heliôma mba hatao etona isefoana amin' ny endrika heliôksa na trimiksa mba hamerana ny fikorontanan' ny etona mivezivezy ao amin' ny fitaovana fisefoana sy ny poizin' ny azôta ary ny poizin' ny ôksizenina. Ampiasaina amin' ny sehatra isan-karazany toy ny fanamboarana jiro, ny faninginana, ary na dia ny astrônaotika koa aza ny etona hamatra.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]