Etnôbiôlôjia
Fiseho

Ny etnôbiôlôjia dia taranja ao amin' ny antrôpôlôjia izay mandalina ny fifandraisana ara-kolontsaina taloha na ankehitriny eo amin' ny tontolon' ny zavamananaina, na zavamaniry izany na biby, sy ny olombelona.
Zana-taranja ao amin' ny etnôbiôlôjia
[hanova | hanova ny fango]Misy sampana maromaro izy io:
- ny etnôbôtanika (fandalinana ny fifandraisan' ny olombelona sy ny zavamaniry);
- ny antrôpôzôôlôjia na etnôzôôlôjia (fandalina ny fifandraisana eo amin' ny tontolon' ny biby sy ny fiarahamonin' olombelona);
- arkeôzôôlôjia (fandalinana ny tantaran' ny fifandraisana ara-boajanahary sy ara-kolontsaina eo amin' ny olombelona sy ny karazam-biby ankehitriny na efa lany tamingana vao haingana);
- ny etnôfarmakôlôjia (fandalinana ny akora rehetra avy amin' ny zavamaniry, ny biby, na ny mineraly ary ny fampiasana izany amin' ny fitsaboana sy ny fisorohana ary ny famantara soratr' aretina);
- ny etnôentômôlôjia (fandalinana ny fifandraisan' ny bibikely sy ny olombelona);
- ny etnômikôlôjia (fandalinana ny anjara asan' ny holatra eo amin' ny fiarahamonin' olombelona);
- ny etnôekôlôjia (fandalinana ny fomba fahafantaran' ny fiarahamonin' olombelona ny rohivoary manodidina azy sy ny fifandraisany amin' ny tontolo iainany);
- ny etnôtaksônômia (fandalinana ny fanasokajiana ny zavamananaina (taksônômia) nofaritan' ny vondrom-poko tsirairay sy ampiasainy).