Hankany amin'ny vontoatiny

Esther Nirina

Avy amin'i Wikipedia
Esther Nirina
Ankapobeny
AnaranaEsther Nirina
Teraka17 Novambra 1932
ToeranaAmbohimifangitra
Maty19 jona 2004
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaMadagasikara
Asa :Mpanoratra
Fiainana manokana
Seha-pitiavanaRabemananjara Guy

Mombamomba Azy

[hanova | hanova ny fango]

Esther Nirina dia teraka tamin'ny 17 Novambra 1932 tany amin'ny Faritanin'Antananarivo izy. Nandany 30 taona teo ho eo tany Frantsa (Orléans) izy, nanomboka tamin'ny 1953 ka hatramin'ny 1983, ary niasa tamin'ny fitantanana trano famakiam-boky. Tamin'ny taona 1990 dia niverina nipetraka teto Madagasikara izy, ary nodimandry tamin'ny 2004. Nantsoina hoe Esther Ranirinaharitafika tamin'izy mbola tanora, dia iray tamin'ireo mpanoratra sy poeta malagasy namirapiratra indrindra tamin'ny literatiora amin ' ny teny frantsay. Na dia matetika tamin'ny teny frantsay aza no nosoratany, dia tsy mba niala tamin'ny kolontsaina sy ny toe-tsain'ny Malagasy ny aingam-panahiny [1] Archived Mey 19, 2026 at the Wayback Machine


Ny fototra fiaviany

[hanova | hanova ny fango]

Zanak'i Rabetafika sy reniny teratany frantsay izy, ary nanambady an'i Guy Rabemananjara tamin'ny 1952. Nanana zanaka telo izy mivady: Franck, Nicole, ary Josiane. Nandany 37 taona tany Frantsa izy ireo talohan'ny niverenany teto Madagasikara tamin'ny 1990. Tsy nionona tamin'ny fanoratana fotsiny anefa izy, fa nampandroso ny ambanivohitra koa, indrindra tao Ambohimifangitra, ny tanindrazany.[2]Nanangana sekoly, tranomboky, ary toeram-pitsaboana tao izy. Mpikambana tao amin'ny Akademia Malagasy izy ary filoha mpanorina ny fikambanana mpanoratra S.E.R.O.I. (Société des Écrivains de la Région de l'Océan Indien) sampana Madagasikara. Nodimandry tamin'ny 19 jona 2004 teto Antananarivo izy, rehefa namela lova sarobidy ho an'ny haisoratra malagasy[3]

Ny asa soratra nataony

[hanova | hanova ny fango]

Ireo Boky Tononkalo (Recueils de poèmes) Ny ankamaroan'ny asa sorany dia nosoratany tamin'ny teny frantsay, nefa tena feno toe-tsaina sy fomba fisainana malagasy. Indro ny sasany:

  • Silencieuse respiration (1975) : Boky voalohany navoakany tany Frantsa tao Orléans. Tamin'io no nanombohan'ny olona nahafantatra ny fomba fanoratany fohy nefa lalina.
  • Simple voyelle (1980) : Maneho ny fikarohany ny lanjan'ny feo sy ny teny ao anatin'ny tononkalo.
  • L’arrêt du jour (1991) : Nosoratany tamin'ny fotoana niverenany teto Madagasikara, misy ny fahatsiarovany ny tanindrazany.
  • Mivolana an-tsoratra / Le dire par écrit (2004) : Boky farany navoakany talohan'ny nahafatesany.

Ny Fomba Fanoratany

[hanova | hanova ny fango]
  • Fohy nefa lalina: Tsy tia tononkalo lava izy. Ny teny iray na roa fotsiny dia efa mitondra hevitra lalina.
  • Ny Teny: Nilaza izy fa mpindrana ny teny frantsay fotsiny mba hanehoana ny maha-malagasy azy.
  • Ny Mangina fanehoanan ny fahanginana ao anaty lahatsoratra.

Ireo loka sy fankasitrahana

[hanova | hanova ny fango]

Nahazo ny Loka lehiben'ny literatiora tany amin'ny faritry ny ranomasimbe Indiana. Ny sanganasany dia nadika tamin'ny teny frantsay.

Ny Fianarana Nataony

[hanova | hanova ny fango]

Teraka tao Antsirabe izy tamin'ny 1932, ary io rahalahin-drainy mpitsabo io no nitaiza amin ' ny teny frantsay tao Antananarivo. Nianatra tany amin'ny sekoly frantsay izy tamin'ny fotoana nahazahoany azy, ka izany no nahatonga ny fianarany teto Madagasikara tamin'ny voalohany. Rehefa nifindra tany Frantsa izy tamin'ny 1953, dia nanohy nianatra ho mpitahiry boky. Niasa tao amin'ny tranombokim-panjakana tao Orléans izy nanomboka tamin'ny 1953 ka hatramin'ny 1983, ary tao no nifankahita tamin'ny tontolon'ny haisoratra sy ny boky, izay nanampy azy betsaka tamin'ny fahaizany manoratra[4]

Mampiavaka Azy

[hanova | hanova ny fango]

Mpikambana tao amin'ny Académie Malgache izy ary filoha mpanorina ny sendikan'ny mpanoratra teto Madagasikara. Ny fomba fanoratany dia fohy nefa lalina, matetika mampifandray ny traikefa tany am-pielezana sy ny fakan-drazana malagasy[5].

  1. https://ecritures.univ-lorraine.fr/publications/divers-editeurs/esther-nirina.-oeuvres-completes[http://web.archive.org/20260519140230/url# https://ecritures.univ-lorraine.fr/publications/divers-editeurs/esther-nirina.-oeuvres-completes Archived] Mey 19, 2026 at the Wayback Machine
  2. https://ile-en-ile.org/nirina/
  3. https://poetawebs.e-monsite.com/pages/sorapiainana/page-10.html
  4. https://hal.science/hal-02968313/



Hijery ihany koa

[hanova | hanova ny fango]

Christine Razanamahasoa

Ranavalona I