Erythroxylaceae

Ny Erythroxylaceae dia fianakaviana zavamaniry mamony ao amin' ny filaharana Linales (araka ny fanasokajiana klasika) na Malpighiales (araka ny fanasokajiana filôjenetika), ahitana karazana 250 eo ho eo mizara amin' ny vondron-karazana 4. Izy ireo dia hazo na hazobotry any amin' ny faritra trôpikaly mankany amin' ny faritra antonony. Ao amin' ity fianakaviana ity dia resahina ny Erythroxylum coca Lam. sy ny Erythroxylum novogranatense (Morris) Hieron), hazobotry teratany any Amerika Atsimo, izay ny raviny dia efa notsakotsakoin' ny mponina tao an-toerana nandritra ny an' arivony taona maro ary, nanomboka tamin' ny tapaky ny taonjato faha-19, dia vokarina an-tsokosoko amin' ny ambaratonga lehibe mba hahazoana mamokatra kôkainina amin' ny fomba tsy ara-dalàna.
Lisitry ny vondron-karazana
[hanova | hanova ny fango]Inty ny lisitry ny vondron-karazana araka ny Angiosperm Phylogeny Website (23 Mey 2010) sy ny NCBI (23 Mey 2010) ary ny DELTA Angio (23 Mey 2010) :
- Aneulophus Benth.
- Erythroxylum P.Browne
- Nectaropetalum Engl.
- Pinacopodium Exell & Mendonca