Eriosema procumbens
Ny Eriosema procumbens dia karazan-javamaniry, ahitra na hazobotry madinika, mamony roa ravin-tsimoka, ao amin' ny fianakaviana Fabaceae, izay tsy fahita raha tsy ao afovoan-tanin' i Madagasikara. Amin' ny teny malagasy izy io dia atao hoe avokombiby, foko, kimaogaga na kofolona.
Eriosema procumbens Benth. ex Baker no anarana siantifikan' io karazan-jaamairy io feno. Navoaka voalohany tamin' ny taona 1883 tao amin' ny Journal of the Linnean Society, Botany izy. Tahaka ny zavamairy hafa amin' ny vondron-karazana Eriosema, amin' ny ankapobeny dia ahitra na hazobotry madinika izy io, indraindray manana rantsana mitsotsorika na mandady amin' ny tany (araka ny hevitry ny teny hoe procumbens). Ny raviny dia fikambanan' ny zana-pelandravina izay mahazatra amin' ny Fabaceae. Miendrika lolo ny voniny, izay mampiavaka ny Fabaceae koa, matetika mavo na volomparasy. Misy vihim-boa iray na roa ny voany.
Hita indrindra any amin' ny faritra mafana amin' ny ola-bolantay roa ny karazan' ny Eriosema, matetika eny amin' ny sahalava na eny amin' ny hivoka. Tahaka ny Fabaceae maro dia mandray anjara amin' ny fanatsarana ny nofon-tany izy ireo amin' ny alalan' ny fifandraisany amin' ny bakteria mamikitra azôta.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Eriosema
- Avokombiby (Asystasia gangetica sy Eriosema procumbens)
- Foko na kimaogaga (Cynanchum junciforme sy Eriosema procumbens)