Hankany amin'ny vontoatiny

Ericaceae

Avy amin'i Wikipedia
Leptecophylla juniperina

Ny Ericaceae dia fianakavian-javamaniry mamony ao amin' ny filaharana Ericales. Ahitana karazan-javamaniry efa ho 1 350 eo ho eo mitsinjara amin' ny antokon-javamaniry manodidina ny zato. Ny lehibe indrindra dia ny Erica (antoko filamatra), ny Vaccinium, ny Gaultheria, ny Leucopogon, ny Cavendishia, ary ny Arctostaphylos. Fianakaviana somary hita amin' ny faritra rehetra amin' ny faritra manana toetany mangatsiaka na antonony amin' ny haabo iva, miitatra hatrany amin' ny faritra trôpikaly an-tendrombohitra. Tsy dia manana karazana firy ny any Azia Atsimo izy io. Karazana maro no maniry amin' ny tany mahantra otrikaina (nofon-tany asidra, tsy ampy azôta, ary tontolo tsy ampy fanarian-drano). Ny fampifanarahany ny fiainany amin' ireo toe-javatra tsy mety ireo dia hanamorain' ny fiarahany miaina amin' ny holatra toy ny Pezoloma ericae, amin' ny alalan' ny mikôriza erikôida (fiaraha-miain' ny holatra sy ny fakan-javamaniry).

Fanasokajiana

[hanova | hanova ny fango]

Fianakaviana nampidirina

[hanova | hanova ny fango]

Ny fanasokajiana filôjenetika dia mampiditra ireto fianakaviana manaraka ireto ho ao amin' ny fianakaviana Ericaceae, izay lasa mitovy zava-tondroina aminy:

  • Andromedaceae
  • Arbutaceae
  • Arctostaphylaceae
  • Azaleaceae
  • Diplarchaceae
  • Empetraceae
  • Epacridaceae
  • Hypopityaceae
  • Kalmiaceae
  • Ledaceae
  • Menziesiaceae
  • Menzieziaceae
  • Monotropaceae
  • Oxycoccaceae
  • Prionotaceae
  • Pyrolaceae
  • Rhododendraceae
  • Rhodoraceae
  • Salaxidaceae
  • Siphonandraceae

Zana-pianakaviana

[hanova | hanova ny fango]

Mizara ho zana-pianakaviana 9 ity fanakaviana ity:

  • Enkianthoideae Kron, Judd & Anderberg (antoko tokana, karazana 16)
  • Pyroloideae Kosteltsky (antoko 4, karazana 40)
  • Monotropoideae Arnott (antoko 10, karazana 15)
  • Arbutoideae Niedenzu (antoko hatramin' ny 6, karazana manodidina ny 80)
  • Cassiopoideae Kron & Judd (antoko tokana, karazana 12)
  • Ericoideae Link (antoko 19, karazana 1 790)
  • Harrimanelloideae Kron & Judd (antoko sy karazana tokana)
  • Epacridoideae Arn. (= Styphelioideae Sweet) (antoko 35, karazana 545)
  • Vaccinioideae Arnott (antoko 50, karazana 1 580)

Lisitry ny antoko

[hanova | hanova ny fango]

Inty ny lisitry ny antokon-javamaniry ao amin' ny araka ny :

  • Agapetes D.Don ex G.Don
  • Agarista D.Don ex G.Don
  • Andromeda L.
  • Arbutus L.
  • Arctostaphylos Adans.
  • Calluna Salisb.
  • Cassiope D.Don
  • Cavendishia Lindl.
  • Chamaedaphne Moench
  • Chimaphila Pursh
  • Daboecia D.Don
  • Enkianthus Lour.
  • Erica L.
  • Gaultheria Kalm ex L.
  • Gaylussacia Kunth
  • Kalmia L.
  • Leucopogon
  • Leucothoe D.Don
  • Lyonia Nutt.
  • Menziesia Sm.
  • Monotropa L.
  • Oxydendrum DC.
  • Phyllodoce Salisb.
  • Pieris D.Don
  • Pyrola L.
  • Rhododendron L.
  • Vaccinium L.

Antoko hita eto Madagasikara

[hanova | hanova ny fango]

Telo ny antoko ao amin' ny izay hita eto Madagasikara:

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]