Hankany amin'ny vontoatiny

Equidae

Avy amin'i Wikipedia
Zebra

Ny Equidae dia fianakaviana biby mampinono ahitana vondron-karazana fôsily am-polony maromaro sy karazana biby haolo valo mbola misy ao amin' ny vondron-karazana tokana (ny Equus). Ny soavaly (karazana tokana) sy ny boriky (karazana maro) ary zebra (karazana maro) no karazana ao amin' io fianakaviana io. Ny biby haolo fito fantatra dia ny soavalin' i Przewalski (Equus przewalskii), ny hemiôna (Equus hemionus), ny kianga (Equus kiang), ny borikidia (Equus africanus), ny zebran' i Burchell (Equus quagga), ny zebran' i Grévy (Equus grevyi) ary ny zebtra an-tendrombohitra (Equus zebra).

Ny Equus quagga quagga dia anisan' ny fianakaviana Equidae efa lany tamingana. Sary natao tamin' ny loko rano

Ny Equidae dia ao amin' ny filaharana Perissodactyla, izany hoe, biby rantsan-tongotra tsy ankasa isaky ny tongotra, voaron' ny kitro tokana. Miparitaka any amin' ny sahalava sy hivoka any amin' ny tapany atsimo sy atsinanan' i Afrika, any amin' ny faritra be tendrombohitra karakaina na somary maina any Azia, indrindra ny tany efitra sy tany aniriana hazobotry mahazaka tany maina, ary any amin' ny sahalava sy fatrana an-tendrombohitra.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]