Epipremnum

Ny Epipremnum dia antokon-javamaniry mamony tokan-dravin-tsimoka, ao amin' ny fianakaviana Araceae ao amin' ny filaharana Arales. Ny karazana ao aminy dia vahy maniry maharitra taona maro izay manana faka ivelan' ny tany izay ahafahany mianika. Teratany any Azia Atsimo-Atsinanana sy any Ôseania ny karazana ao aminy. Mety hisy hanafangaro amin' ny Rhaphidophora, sy Scindapsus ary ny Amydrium izy io. Karazana maro no atao haingo, indrindra anaty trano, toy ny Epipremnum aureum (izay nantsoina hoe Pothos aureus teo aloha).
Misy poizina ny taova rehetra eny aminy, indrindra noho ny trikôsklereida (sela lava maranitra) sy rafida. Mety hahatratra 40 m mahery ny haavony ary mahatratra halava 3 m ny raviny, nefa mihena izany rehefa ao anaty tavim-boninkazo no ambolena azy. Ambolena ho zavamaniry fanao haingo anaty trano any amin' ny faritra manana toetany antonony izy ireo. Maitso mavana ny raviny tanora, izay matetika misy pentina mavo na fotsy. Azon' ireo zavamaniry ireo atao ny mianika amin' ny hazo mpampiantrano mba hahazoany ny hazavan' ny masoandro.
Lisitry ny karazana
[hanova | hanova ny fango]
Karazana Epipremnum 15 no fantatra araka ny Royal Botanic Gardens, Kew:
- Epipremnum amplissimum (Schott) Engl.
- Epipremnum aureum (Linden & André) G.S.Bunting (Pothos aureus teo aloha)
- Epipremnum carolinense Volkens
- Epipremnum ceramense (Engl. & K.Krause) Alderw.
- Epipremnum dahlii Engl.
- Epipremnum falcifolium Engl.
- Epipremnum giganteum (Roxb.) Schott
- Epipremnum meeboldii K.Krause
- Epipremnum moluccanum Schott
- Epipremnum moszkowskii K.Krause
- Epipremnum nobile (Schott) Engl.
- Epipremnum obtusum Engl. & K.Krause
- Epipremnum papuanum Alderw.
- Epipremnum pinnatum (L.) Engl.
- Epipremnum silvaticum Alderw.
Karazana misy eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Indreto ny karazana misy eto Madagasikara izay nampidirina eto:
- Epipremnum aureum (Linden & André) G.S.Bunting
- Epipremnum pinnatum (L.) Engl.