Epifita

Ny epifita dia zavamananaina (zavamaniry, holatra miara-miaina (savoronala), ahidrano, bakteria) izay mitombo amin' ny alalan' ny fampiasana zavamaniry hafa ho tohana (amin' ny hodi-kazo, amin' ny ravina, sns.). Amin' ny ankapobeny dia tsy zavamananana katsentsitra izy ireo, satria ny ankamaroan' ny zavamananaina miara-miaina amin' io fomba io dia tsy maka zavatra avy amin' ilay zavamaniry iankinany ka hanimba azy.
Ny epifita dia zavamaniry afaka mamokatra ny sakafony manokana (aotôtrôfa) amin' ny alalan' ny fôtôsentezy; afaka mitroka hamandoana avy amin' ny rivotra izy ireo ary mahazo sira mineraly, avy amin' ny tany roka izay miforona eo amin' ny fototry ny sampana sy avy amin' ny poti-javatra sy etona mifangaro na levona ao anatin' ny ranon' orana sy ny ando. Hita matetika amin' ny vondrona toy ny Pteridophyta, ny Orchidaceae, ny Bromeliaceae, ny Araceae, ny Piperaceae, ary ny Begoniaceae ireo karazana zavamaniry ireo. Ao anaty rano kosa dia ahitana epifita izay mipetraka sady miraikitra amin' ny zavamaniry anaty rano. Miovaova arakaraka ny habetsahan' ny otrikaina ao anaty rano, ny hazavana, ny halalin' ny rano, ny fisian' ny zavamaniry ianteherana, sy ny sisa, ny habetsahan' ny epifita anaty rano.
Hita indrindra any amin' ny faritra eo anelanelan' ny trôpika roa izy ireo, ary indrindra fa any amin' ny ala mikitroka sady mando. Misy karazana hazo sasany, izay miavaka amin' ny fananana hodiny malama na manimba zavamaniry hafa, na miendaka hoditra matetika, izay tsy ahitana na saika tsy ahitana mihitsy zavamaniry epifita. Any amin' ny faritra manana toetany antonony, ny fisiana sy ny savoronala isan-karazany miaina eo amin' ny zavamaniry hafa dia heverina ho famantarana ny kalitaon' ny rivotra sy ny tontolo iainana.