Hankany amin'ny vontoatiny

Eorôpeana (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Faritra ahitana ny Eorôpeana sy ny zanaka am-pielezana eorôpeana

Ny Eorôpeana, araka ny fiheverana ara-jeôgrafia, dia ny mponin' i Eorôpa. Amin' ny fiteny andavanandro, dia azo ilazana ny olom-pirenena iray ao amin' ny Vondrona Eorôpeana ihany koa ny hoe Eorôpeana, na dia tsy voatery ho olom-pirenen' ny Vondrona Eorôpeana avokoa ny mponina rehetra any Eorôpa, ary ny marina koa ny mifamadika amin' izany. Farany, indraindray io teny io dia ampiasaina amin' ny heviny ara-poko io teny io mba hilazana olona na mponina manana fiaviana eorôpeana, indrindra any amin' ny firenena nahitana fiorenam-ponenana voanjo lehibe avy any Eorôpa.