Hankany amin'ny vontoatiny

Ensifera

Avy amin'i Wikipedia
Pholidoptera griseoaptera

Ny Ensifera dia zana-pilaharana ao amin' ny Insecta izay ao anatin' ny filaharana Orthoptera, ary ny iray hafa dia ny Caelifera. Miavaka ny Ensifera noho ny endriky ny fitaovam-panatodizan' ny vavy izay matetika miendrika sabatra (niavian' ny anarany amin' ny teny latinina hoe ensis izay midika hoe "sabatra", sy ny hoe ferre izay midika hoe "mitondra"), sy ny ringotra lava miendrika kofehy na eny amin' ny lahy na eny amin' ny vavy. Ny Ensifera dia ahitana indrindra ny angely.

Fomba fiainany

[hanova | hanova ny fango]
Arachnocephalus vestitus (Grylloidea)

Afa-tsy ny angely, amin' ny ankapobeny dia mandeha irery ny Ensifera. Tsy mivoaka ny karazana sasany raha tsy amin' ny alina sady misafidy kokoa ny toerana mando, fa ny hafa kosa mivoaka amin' ny andro sady mila masoandro. Isan-karazany ny sakafon' izy ireo, izay ahitana zavamaniry ary matetika bibikely sy biby tsy manana hazondamosina hafa. Saika toetran' ny lahy foana ny fikiririoka mankarenin-tsofina, vokariny amin' ny fikosehany ny elatra matevina. Mialoha ny fihaonan' ny lahy amin' ny vavy izany, satria mahasarika ny vavy. Heverina ho bibikely mpanimba ny karazana sasany toy ny Gryllotalpa gryllotalpa.

Fanasokajiana

[hanova | hanova ny fango]

Mizara ho zafim-pilaharana efatra miampy iray tsy voafaritra tsara ny Ensifera, ka ny roa amin' izany dia efa lany tamingana, araka ny Orthoptera Species File:

  1. Elcanidea (lany tamingana)
  2. Gryllidea
  3. Oedischiidea (lany tamingana)
  4. Tettigoniidea
  5. incertae sedis

Elcanidea

[hanova | hanova ny fango]

Indreto ny fianakaviambe sy ny fianakaviana ao amin' ny zafim-pilaharana Elcanidea:

  • †Elcanoidea
    • †Elcanidae (Late Triassic - Paleocene)
    • †Permelcanidae (Early Permian - Late Triassic)
  • †Permoraphidioidea
    • †Permoraphidiidae (Permian)
    • †Pseudelcanidae (Early Permian)
    • †Thueringoedischiidae (Early Permian)
    • Fianakaviana incertae sedis
      • Vondron-karazana †Acridiites Heer, 1865

Gryllidea

[hanova | hanova ny fango]
Gryllus campestris
Gryllotalpa brachyptera (Gryllotalpidae)

Indreto ny fianakaviambe sy ny fianakaviana ao amin' ny zafim-pilaharana Gryllidea:

  • Grylloidea
    • †Baissogryllidae
    • Gryllidae - angely
    • Mogoplistidae -
    • Phalangopsidae Blanchard, 1845
    • †Protogryllidae Zeuner, 1937
    • Trigonidiidae Saussure, 1874
  • Gryllotalpoidea Leach, 1815

Oedischiidea

[hanova | hanova ny fango]

Indreto ny fianakaviambe sy ny fianakaviana ao amin' ny zafim-pilaharana Oedischiidea:

  • †Oedischioidea Handlirsch, 1906
    • †Anelcanidae Carpenter, 1986
    • †Bintoniellidae Handlirsch, 1939
    • †Mesoedischiidae Gorochov, 1987
    • †Oedischiidae Handlirsch, 1906
    • †Proparagryllacrididae Riek, 1956
    • †Pruvostitidae Zalessky, 1929
    • Fianakaviana incertae sedis
      • Vondron-karazana †Crinoedischia Béthoux & Beckemeyer, 2007
      • Vondron-karazana †Loxoedischia Beckemeyer, 2011
  • †Triassomantoidea Tillyard, 1922
    • †Adumbratomorphidae Gorochov, 1987
    • †Triassomantidae Tillyard, 1922
  • †Xenopteroidea Riek, 1955
    • †Xenopteridae Riek, 1955
  • Fianakaviambe incertae sedis
    • †Permotettigoniidae Nel & Garrouste, 2016
    • Fianakaviana incertae sedis
      • Vondron-karazana †Permophyllum Prokop, et al, 2015

Tettigoniidea

[hanova | hanova ny fango]
Catoptropteryx aurita (Tettigoniidea)

Indreto ny fianakaviambe sy ny fianakaviana ao amin' ny zafim-pilaharana Elcanidea:

  • Hagloidea -
    • †Eospilopteronidae Cockerell, 1916
    • †Haglidae Handlirsch, 1906
    • †Hagloedischiidae Gorochov, 1986
    • †Prezottophlebiidae Martins-Neto, 2007
    • Prophalangopsidae Kirby, 1906
    • †Tuphellidae Gorochov, 1988
  • †Phasmomimoidea Sharov, 1968
    • †Phasmomimidae Sharov, 1968
  • Rhaphidophoroidea Walker, 1869
    • Rhaphidophoridae Walker, 1869 -
  • Schizodactyloidea Blanchard, 1845
    • Schizodactylidae Blanchard, 1845 -
  • Stenopelmatoidea Burmeister, 1838
    • Anostostomatidae Saussure, 1859 -
    • Cooloolidae Rentz, 1980 -
    • Gryllacrididae Blanchard, 1845 -
    • Stenopelmatidae Burmeister, 1838 -
  • Tettigonioidea Krauss, 1902
    • †Haglotettigoniidae Gorochov, 1988
    • Tettigoniidae Krauss, 1902 -
  • Fianakaviambe Incertae sedis
    • Fianakaviana incertae sedis
      • Vondron-karazana †Tettoraptor Gorochov, 2012

Zafim-pilaharana Incertae sedis

[hanova | hanova ny fango]

Inty ny zafim-pilaharanatsy voafaritra tsara (Incertae sedis):

  • †Gryllavoidea Gorochov, 1986
    • †Gryllavidae Gorochov, 1986

Fianakaviambe Incertae sedis

[hanova | hanova ny fango]

Inty ny fianakaviambe tsy voafaritra tsara (Incertae sedis):

  • †Palaeorehniidae (= "Zeuneropterinae")
  • †Vitimiidae