India Britanika
Fiseho
(tonga teto avy amin'ny Empira Britanikan' i India)
I India Britanika dia ampahany amin' ny Zana-kôntinenta Indiana izay teo ambany fitondran' ny Britanika nanomboka tamin' ny taona 1757 ka hatramin' ny taona 1947. Atao hoe British India izy amin' ny teny anglisy. Amin' ny ankapobeny dia manavaka vanim-potoana roa ny mpahay tantara:
- ny Company Raj, nanomboka tamin' ny taona 1757 ka hatramin' ny 1858, rehefa nanjaka teo amin' ny firenena ny East India Company;
- ny British Raj, nanomboka tamin' ny taona 1858 ka hatramin' ny fahaleovantena tamin' ny taona 1947, rehefa nifehy mivantana ny firenena ny governemanta britanika.
Tamin' ny taona 1890 dia mbola teo ambany fahefan' ny Britanika ny Indiana. Ao amin' ny lahatsora-dalàna tamin' izany fotoana izany, io fomba fiteny io dia manondro mazava tsara ny fizaràn-tany maro notantanin' ny Britanika mivantana, ka miavaka amin' ny fanjakana nentin' andriana teo an-toerana.