Emilia sonchifolia
Fiseho

Ny Emilia sonchifolia dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Asteraceae. Zavamaniry isan-taona izy io, manana ratsana misandrahaka, mahatratra 40 sm ny haavony. Ny ravina dia manana ny halava mahatratra hatramin' ny 10 sm, indraindray lasa manopy volomparasy rehefa antitra. Ny zavamaniry iray dia afaka mamokatra loha voninkazo mavokely na volomparasy maromaro. Miely patrana any amin' ny faritra trôpikaly eran-tany izy io. Na dia manimba aty aza, dia azo hanina atao anana ny raviny sy ny solofony.