Elyôn
Ny hoe Elyôn, izay midika hoe "Avo Indrindra", dia mpamari-toetra izay mahaforona ny iray amin' ny anaran' Andriamanitra ao amin' ny jodaisma sy ao amin' ny Baiboly hebreo. Ampiasaina ho anarana izy io, amin' ny heviny hoe "ny Avo Indrindra", na ho mpamaritra ny toetran' Andriamanitra ao amin' ny andian-teny hoe El Elyôn, "ilay Andriamanitra Avo Indrindra". Atao hoe אֵל עֶלְיוֹן / ʼĒl ʻElyōn izy amin' ny teny hebreo, ary mitovy hevitra amin' izany ao amin' ny Septanta (Baiboly jiosy amin' ny teny grika) hoe ὁ Θεός ὁ ὕψιστος / ho Theós ho hýpsistos ("Andriamanitra ambony indrindra").
Lohahevitry ny adi-hevitra mahazatra ny anaram-boninahitra hoe ʿElyōn, izay adika indraindray ho mitovy amin' ny Andriamanitry ny fivavahana abrahamika, ary raha tsy izany dia heverina ho fanondroana andriamanitra hafa tanteraka amin' ny karazany, izay mety ho ambony noho ny i Yahweh.
Ankoatry ny lahatsoratry ny Baiboly, ny teny adika hoe "ambony" na "avo" (izay misy fiafaran’ ny fototeny roa izay milaza toeraba, fa tsy mimaza fampitahana) na "tampona" na "ambony indrindra" dia misy fampiasana azy andavanandro, izay ilazana fotsiny ny toeran' ny zavatra iray (oh: nampiharina tamin' ny sobika iray ao amin' ny Genesisy 40:17 na efitra iray ao amin' ny Ezekiela 42:5 ).
Ao amin' ny Baiboly
[hanova | hanova ny fango]Ny hoe Elyôn, izay midika hoe "Avo Indrindra", dia mpamari-toetra an' Andriamanitra izay ampiasaina ao amin' ny fedràn' ny Arameana sy ny an' ny Fenisiana.
Ao amin' ny Testamenta Taloha, ny teny hoe Elyôn dia ampiasaina ho mpamari-toetraa, na anarana mitokana, na miaraka amin' ny teny hafa. Teny ampiasaina matetika ao amin' ny Baiboly io teny io mba hilazana an' Andriamanitra. I Melkizedeka, ohatra, dia lazaina fa "mpisoron' i El Elyôn", ary tamin' ny anaran' i Elyôn no nitsofany rano an' i Abrahama.
Ampiasaina io teny hamaritana an' i El (ao amin' ny Genesisy 14:18-22 sy ao amin' ny Salamo 78:35), hamaritana an' i YHWH (ao amin' ny Salamo 7:18 sy ny Salamo 47:3 ) ary an' i Elohim (ao amin' ny Salamo 57:3 sy ny Salamo 78:56 ).
Ny teny hoe Elyôn dia ampiasaina ho anarana mitokana ihany koa, ao amin' ny Salamo 9:3 sy Salamo 77:11 ary Salamo 82:6 , ary ao amin' ny Isaia 14:14.
Ampiasaina mifanila amin' ny hoe El ("Andriamanitra") io teny io (ao amin' ny Nomery 24:36, ao amin’ ny Salamo 73:11, ao amin' ny Salamo 107:1), mifanila amin' ny hoe YHWH (Deoteroônômia 8:7; 2Samoela 22:14; Salamo 18:14), amin' ny hoe Elohim (Salamo 46:5 sy Salamo 50:14), ary amin' ny hoe Shaddai (Nomery 24:16 sy Salamo 91:1).