Hankany amin'ny vontoatiny

Eleocharis

Avy amin'i Wikipedia
Eleocharis calva

Ny Eleocharis dia vondron-karazan-javamaniry fahita maneran-tany izay misy karazana 250 na mihoatra, zavamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Cyperaceae. Manana tsinjara toerana ara-jeôgrafia midadasika ity vondron-karazana ity, fa ny ivon' ny fahasamihafan-karazana dia ao amin' ny Ala Amazôniana sy ny tehezan-tendrombohitra atsinanan' ny Andes any Amerika Atsimo, ilany avaratra amin' i Aostralia, ilany atsinanana amin' i Amerika Avaratra, California, ilany atsimo amin' i Afrika ary Azia Atsimo. Maniry any anaty rano na amin' ny haambon' ny ranomasina ka hatrany amin' ny haambo mihoatra ny 5 000 m (ao amin' i Andes trôpikaly) ny ankamaroan' ny karazana ao amin' ny vondrona Eleocharis.

Mora fantatra ity vondron-karazana ity: manao fôtôsentezy amin' ny alalan' ny tahony ny karazana rehetra ao amin' ny vondrona Eleocharis nefa tsy misy ravina maitso (ny raviny dia lasa elabakaka manarona manodidina ny fototry ny taho). Zavamaniry matanjaka sy miparitaka amin' ny alalan' ny rizôma (na taranja) amin' ny faritra trôpikaly iva sy mando ny karazana maro, fa ny maro hafa dia zavamaniry kely maniry isan-taona na mihoatra ny roa taona akaiky renirano, ary ny hafa kosa dia manana toetra eo anelanelan' ireo. Misy koa ny karazany maromaro tsy maintsy maniry anaty rano, izay mazàna misy taho difotra sady misampana ary matetika ahafaka mampifamadika ny fametrahana karbôna C3 sy C4 ho setrin' ny tontolo iainana samihafa. Amin' ny karazana rehetra ao amin' ny Eleocharis dia eny amin' ny tendron-tahony ny voniny.

Na dia eo aza ny fahasamihafana ao amin' ity vondron-karazana ity dia vitsy ny toetra ilaina amin' ny famaritana ny karazana ao anatiny, ary karazana maro no sarotra avahana. Maro amin' ny karazana fantatra amin' izao fotoana izao izay manana faritra jeôgrafika midadasika no manana endrika maro. Mety hahitana taranaka maro mivoatra tsy miankina ny sasany amin' ireo karazany ireo. Iray amin' ny karazana malaza indrindra ny Eleocharis dulcis. Manana vodiny eo amin' ny rizômany izay azo voasana sy hanina manta na andrahoina ireo zavamaniry ireo.

Ekôlojia

[hanova | hanova ny fango]
Anseranas semipalmata

Any Aostralia dia saika miantehitra amin' ny fihinanana ny vodiny ny karazana gisa Anseranas semipalmata mandritra ny ampahany be amin' ny taona.

Karazana voafantina

[hanova | hanova ny fango]
Eleocharis minuta
Harefopoakaty (Eleocharis acutangula)
Eleocharis geniculata
Eleocharis ochrostachys

Indreto misy karazana nofantenana:

  • Eleocharis acicularis (L.) Roem. & Schult.
  • Eleocharis acuta R.Br.
  • Eleocharis acutangula (Roxb.) Schult.
  • Eleocharis afflata Steud.
  • Eleocharis atropurpurea (Retz.) J.Presl & C.Presl
  • Eleocharis baldwinii (Torr.) Chapm.
  • Eleocharis bella (Piper) Svenson
  • Eleocharis bifida S.G. Smith
  • Eleocharis bolanderi A.Gray
  • Eleocharis brassii S.T.Blake
  • Eleocharis brittonii Svenson ex Small
  • Eleocharis caespitosissima Baker -- kivolanaondry, kivolonaondry, kivolonondry, volontany
  • Eleocharis cellulosa Torr.
  • Eleocharis compressa Sull.
  • Eleocharis confervoides (Poir.) Steud.
  • Eleocharis congesta D.Don
  • Eleocharis cylindrostachys Boeckler
  • Eleocharis dietrichiana Boeckler
  • Eleocharis dulcis (Burm.f.) Trin. ex Hensch. -- harefo, hareforefo, herefo, horefo
  • Eleocharis elegans (Kunth) Roem. & Schult.
  • Eleocharis equisetoides (Elliott) Torr.
  • Eleocharis erythropoda Steud.
  • Eleocharis filiculmis Kunth
  • Eleocharis geniculata (L.) Roem. & Schult.
  • Eleocharis gracilis R.Br.
  • Eleocharis halophila Fernald & Brackett
  • Eleocharis jacobsiana K.L.Wilson
  • Eleocharis keigheryi K.L.Wilson
  • Eleocharis kuroguwai Ohwi
  • Eleocharis limosa (Schrad.) Schult. -- harefo
  • Eleocharis macrostachya Britton
  • Eleocharis minuta Boeckeler -- kivolonondry, volontany
  • Eleocharis montana (Kunth) Roem. & Schult.
  • Eleocharis montevidensis Kunth
  • Eleocharis mutata (L.) Roem. & Schult.
  • Eleocharis nitida Fernald
  • Eleocharis nodulosa Schult.
  • Eleocharis obtusa (Willd.) Schult.
  • Eleocharis ochrostachys Steud.
  • Eleocharis pachycarpa Desv.
  • Eleocharis pachystyla (C.Wright) C.B.Clarke
  • Eleocharis pallens S.T.Blake
  • Eleocharis palustris (L.) Roem. & Schult.
  • Eleocharis papillosa Latz
  • Eleocharis parishii Britton
  • Eleocharis parvula (Roem. & Schult.) Link ex Bluff et al.
  • Eleocharis pellucida J.Presl & C.Presl
  • Eleocharis philippinensis Svenson
  • Eleocharis plana S.T.Blake
  • Eleocharis pusilla R.Br.
  • Eleocharis quadrangulata (Michx.) Roem.
  • Eleocharis quinqueflora (Hartmann) O.Schwarz
  • Eleocharis radicans (A.Dietr.) Kunth
  • Eleocharis rivalis K.L.Wilson
  • Eleocharis rostellata (Torr.) Torr.
  • Eleocharis sanguinolenta K.L.Wilson
  • Eleocharis sellowiana Kunth
  • Eleocharis sphacelata R.Br.
  • Eleocharis spiralis (Rottb.) Schult.
  • Eleocharis sundaica J.Kern
  • Eleocharis tenuis (Willd.) Schult.
  • Eleocharis torticulmis S.G.Sm.
  • Eleocharis tortilis (Link) Schult.
  • Eleocharis triquetra K.L.Wilson
  • Eleocharis tuberculosa (Michx.) Roem. & Schult.
  • Eleocharis uniglumis (Link) (Link) Schult., 1824
  • Eleocharis vivipara Link
  • Eleocharis wadoodii S.R.Yadav, Lekhak & Chandore
  • Eleocharis welwitschii Nelmes
  • Eleocharis wichurae Boeckeler
  • Eleocharis wilkensii Schuyler
  • Eleocharis wolfii (A.Gray) A.Gray ex Britton

Karazana misy maniry eto Madagasikara

[hanova | hanova ny fango]
Eleocharis dulcis

Indreto ny karazana Eleocharis misy eto Madagasikara:

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]