Hankany amin'ny vontoatiny

Efitrano Ambony

Avy amin'i Wikipedia
Ilay toerana heverina ho ny Efitrano Ambony

Ny Efitrano Ambony dia efitrano resahin' ny Filazantsara sy ny Asan' ny Apôstôly (Asa 1:13), izay niarahan' i Jesoa nisakafo farany tamin' ny apôstôly (atao hoe Fanasana Farany). Ankehitriny ity toerana ity dia heverina fa efitra iray eo amin' ny tendrombohitra Ziôna na Siôna any Jerosalema, eo ivelan' ny mandan' ny Tanàna Taloha.

Amin' ny teny latina izany dia atao hoe Cenaculum, izay midika hoe "efitrano fisakafoanana", fa amin' ny teny grika kosa dia ἀνάγαιον / anagaion (Marka 14:15 sy Lioka 22:12) sy ὑπερῷον / hyperōion ( Asa 1:13) izay samy midika hoe "efitrano ambony".

Ny Efitrano Ambony koa dia toerana nidinan' ny Fanahy Masina tamin' ny apôstôly roa ambin' ny folo tamin' ny Pentekôsta, ka tao i Matia dia nisaina niaraka amin' ny apôstôly iraika ambin' ny folo nisolo an' i Jodasy, araka ny Asan' ny Apôstôly 1:25.

Ny fanjakana israeliana ankehitriny no mitantana io toerana izay heverina fa ny Efitrano Ambony io, izay ao anatin' ny tranobe iray izay ahitana koa ilay antsoina hoe "Fasan' i Davida" eo amin' ny gorodona ambany.