Aller au contenu

Economist Intelligence Unit

Avy amin'i Wikipedia
The Economist Intelligence Unit

Ny Economist Intelligence Unit (EIU) dia orinasa britanika ao amin' ny The Economist Group. Amin' ny alalan' ny fikarohana sy famakafakana ataony, ny EIU dia manome vinavina mialoha sy torohevitra ho an' ny mpanjifany. Izy io dia manome famakafakana maneran-tany ho an' ny firenena sy ny indostria ary ny orinasa. Ny EIU dia anisan' ny Business International Corporation taloha, orinasa britanika novidin' ny fikambanana reniny tamin' ny 1986. Fantatra indrindra izy io amin' ny tatitra ataony isam-bolana isaky ny firenena, ny vinavina mialoha ataony nasiônaly ho an' ny dimy taona, ny tatitra ataony momba ny loza mety hiseho ao amin' ny firenena, ary ny tatitra ataony momba ny indostria. Mivarotra ihany koa ny fanadihadiana ataony momba ny tsena manokana na sehatra manokana ao amin' ny tsena ilay orinasa. I Robin Bew no talen' ny famoahan-dahatsoratra sy lehiben' ny mpiandraikatra ny toekarena ankehitriny.