Ebenaceae

Ny Ebenaceae dia fianakavian-javamaniry roa ravin-tsimoka, ao amin' ny filaharana Ebenales (araka ny fanasokajiana klasika) na Ericales (araka ny fanasokajiana filôjenetika), ahitana karazana 500 mitsinjara amin' ny vondron-karazana roa ka hatramin' ny enina. Hazo na hazobotry izay hita indrindra any amin' ny faritra mafana ny karazana ao aminy, nefa ahitana karazana sasany koa ny any amin' ny faritra manana toetany antonony. Loharano lehibe ahazoana voankazo sy hazo izy ireo: ny hazomainty (karazana ao amin' ny Diospyros) ohatra.

Ambolena faritra manana toetany antonony ny Diospyros kaki mba hahazoana voany mivolomboasary atao hoe "kaky" izay mitovy habe amin' ny paiso, otazana amin' ny faran' ny fararano, vanim-potoana mahatonga ny raviny ho mena mahafinaritra. Karazana iray hafa mamokatra voany azo hanina koa ny Diospyros virginiana, fa ny voan' ny Diospyros lotus dia zara raha misy mihinana.
Lisitry ny vondron-karazana
[hanova | hanova ny fango]Inty ny lisitry ny vondron-karazana araka ny National Center for Biotechnology Information (NCBI) (12 Nov. 2015):