Dypsis lutescens
Ny Dypsis lutescens dia karazana zavamaniry mamony, tokan-dravintsimoka, ao amin' ny fianakaviana Arecaceae, izay mahatratra folo metatra ny haavony. Hatramin' ny taona 1995 dia nantsoina hoe Chrysalidocarpus lutescens ilay karazana, ka tsy mbola nanjavona ny fampiasana an' io anarana io. Indreto ny anarana iantsoana azy amin' ny teny malagasy: lafahazo, lafaza, lafohaza, na rehazo. Izy io dia tena fanao haingon-tanàna. Tany am-boalohany dia tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara io karazana io.

Nampidirina tany amin' ny faritra trôpikaly maro izy io: any amin' ny Vondro-nosy Andaman, any Tailandy, any Vietnamy, atsy La Réunion, any Salvadôro, any Kiobà, Poertô-Rikô, any amin' ny Vondronosy Canarias, any amin' ny tapany atsimon' i Florida (Etazonia), any Haity, any amin' ny Repoblika Dôminikanina, any Jamaika, ary any amin' ny Vondronosy Antilia. Any amin' ny faritra manana toetany antonony sy mangatsiaka dia matetika izy io no ampiasaina ho zavamaniry anaty an-trano.