Hankany amin'ny vontoatiny

Droseraceae

Avy amin'i Wikipedia
Drosera capensis

Ny Droseraceae dia fianakavian-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka. Ahitana karazana zato eo ho eo notsinjaraina amin' ny vondron-karazana 3 na 4 ity fianakaviana ity. Zavamaniry ahitra izy ireo, mpivelona amin' ny nofom-biby, maniry an-taonany maro, misy taranjany na vodiny, matetika misy ravina mipoira amin' ny faritra iray fa tsy milahatra, hita any amin' ny faritra mangatsiaka sy antonony ary mafana. Mametraka ity fianakaviana ity ao amin' ny filaharana Caryophyllales ny fanasokajiana filôjenetika ary mametraka ny vondron-karazana Drosophyllum ao amin' ny fianakaviana manokana Drosophyllaceae.

Lisitry ny vondron-karazana

[hanova | hanova ny fango]
Drosera madagascariensis

Inty ny lisitry ny vondron-karazana araka ny Angiosperm Phylogeny Website (3 Mey 2010) sy araka World Checklist of Selected Plant Families (WCSP) (3 Mey 2010) sy ny National Center for Biotechnology Information (NCBI) (3 Mey 2010) ary ny DELTA Angio (3 Mey 2010):

  • Aldrovanda L., 1753 - zavamaniry anaty rano mitsingevana, tsy misy fakany
  • Dionaea J.Ellis, 1773
  • Drosera L., 1753 - zavamaniry mitady masoandro sy maniry amin' ny honahona sy fotaka be akoran-javamananaina sy asidra

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]