Dracaena umbraculifera

Ny Dracaena umbraculifera karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Liliaceae (araka ny fanasokajiana klasina) na Asparagaceae (araka ny fanasokajiana filôjenetika ankehitriny), izay misy mihevitra fa efa lany tamingana any Maorisy izay faritra voajanahary tokony niaviany,
I Jacquin no namariparitra azy io voalohany ho teratany any Maorisy tamin' ny taona 1797, ary voarakitra an-tsoratra tao amin' ny Muséum national d'histoire naturelle ao Paris (Frantsa) tamin' ny taona 1804, fa ny bôtanista sasany tao amin' ny Zaridaina Bôtanikan' i Monza (Italia) dia nanoro hevitra tamin' ny taona 1842 fa avy any Java izy io. Mbola misy maniry hoazy any amin' ny ilany avaratra-atsinanan' i Madagasikara ao Nosy Nato (anisan' i Nosy Boraha) ny Dracaena umbraculifera.

Mety hahatratra 10 m ny haavon' ny Dracaena umbraculifera, saingy miadana ny fitomboany. Ny fitambaran' ny raviny milelan-defona izay miendrika elo dia mirefy 1 m amin' ny 5 sm. Mena ny vondrom-boniny ary mivolon-daoranjy ny voany. Mety aminy ny maniry amin' ny alokaloka.
Ambolena ho haingon-tanàna sy any amin' ny zaridaina bôtanika, indrindra fa ao amin' ny Sir Seewoosagur Ramgoolam Botanic Garden ao Maorisy, ao amin' ny Curepipe Botanical Garden ao Maorisy (nanomboka tamin' ny taona 1863) ao amin' ny Jardin des Serres d'Auteuil any Frantsa ary any amin' ny Kew Gardens any amin' ny Fanjakana Mitambatra.