Hankany amin'ny vontoatiny

Dracaena reflexa

Avy amin'i Wikipedia
Dracaena reflexa

Ny Dracaena reflexa dia karazana zavamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Liliaceae na Dracaenaceae araka ny fanasokajiana klasika, na Asparagaceae araka ny fanasokajiana filôjenetika. Zavamaniry trôpikaly any amin' ny nosin' ny Ranomasimbe Indianina (Madagasikara, Kômôro, Seisely, Maorisy ary La Réunion) ary any Môzambika izy io.

Ireto ny anarany amin' ny teny malagasy: fanavy, hasindahy, hola, kosindahy, rajo, ranjo, ronjo, tavivola, tavivolalahy, tavola, tavolahy, tavolalahy, tavololahy, tavovola, tsihasinkasina, tsimitrona ary tsimitrova.

Fanoritsoritana

[hanova | hanova ny fango]
Vonin' ny Dracaena reflexa

Amin' ny ankapobeny dia mahatratra 3 ka hatramin' ny 6 m ny haavon' ny Dracaena reflexa, indraindray mihoatra kely. Tsotra ny raviny, feno, miendrika lela lefona salavalava izay manana halava 5 ka hatramin' ny 30 sm sy sakany 0,5 hatramin' ny 5 sm. Mira zotra ny kirana amin' ny raviny. Maitso matroka ranoray ny raviny amin' ny ankapobeny. Milahatra miolikolika, mihizina mafy ka mamorona fehezan-dravina ireo ravina ireo ary mena na maitso ny sisiny.

Voan' ny Dracaena reflexa

Mirantsandrantsana ny vondrom-boniny mitsangana na miondrika amin' ny ankapobeny, misy voniny mitsitokantokana na mivondrona 2 ka hatramin' ny 4, miloko mavo maitso, manana halava 13-20 mm. Manana halava 15-30 mm ny londona, misy fantsona fohy kokoa noho ny 6 fizaràm-boniny enina.

Voan' ny Dracaena reflexa

Mamokatra voany kely milokom-barahina rehefa masaka izy ireo, izay manana savaivo mirefy 17-22 mm, misy vihy iray hatramin' ny telo.

Faritra aniriany

[hanova | hanova ny fango]

Miparitaka any amin' ny nosin' ny ilany atsimo-andrefan' ny Ranomasimbe Indianina ny Dracaena reflexa: Madagasikara, Maorisy, La Réunion, Kômôro, ary Seisely (anisan' izany i Aldabra). Tsy fahita firy io karazana io ao Afrika an-tanibe, afa-tsy any amin' ny faritanin' i Cabo Delgado any Môzambika ihany.

Ao amin' ny tontolo voajanahary dia karazana manana faritra ekôlôjika aniriana midadasika izay hita amin' ny ala isan-karazany ny Dracaena reflexa. Afaka maniry ao amin' ny aloky ny ala ity zavamaniry ity sady ipoiran' ny solofo lava izay mivoaka mitady ny hazavana. Ahafahan' ny sarim-batany hiforona ny fipoiran' ny solofo vaovao tsikelikely sy ny fivondronan' ny taho maro.

Tsy toy ny karazana hafa amin' ny vondron-karazana Dracaena, toy ny Dracaena cinnabari na ny Dracaena draco, izay maniry toy ny elo, ny Dracaena reflexa izay manana endrika mikorontana mandritra ny androm-piainany. Mitazona endrika somary malalaka ny Dracaena reflexa maniry anaty ala, fa manana endrika somary mihizina kokoa ireo izay maniry eny an-tany malalaka.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]