Hankany amin'ny vontoatiny

Dracaena elliptica

Avy amin'i Wikipedia
Ravina Dracaena elliptica maniry any Indônezia

Ny Dracaena elliptica dia karazana zavamaniry any amin' ny ala trôpikaly any Azia, ao amin' ny fianakaviana Asparagaceae; tsy misy zanakarazana voatanisa ao amin' ny Catalogue of Life. Hazobotry lahatratra haavo hatramin' ny 2 m ny Dracaena elliptica, misy ravina miendrika lela lefona salavalava manana halava 20–30 sm. Manodidina ny 1 sm ny savaivon' ny voany mavo. Any amin' ny vondronosy Andaman, i Fanjakan' i Assam (India), i Bangladesy, mamakivaky ny ilany atsimon' i Sina, i Indôsina ary ny ilany andrefan' i Malezia no faritra niavian' ity karazana ity.

Amin' ny teny malagasy ity zavamaniry ity dia atao hoe hasimbola, hasingola, kosingola, tavivolavavy, tsikasinkasintaboriravina ary tsinkasinkasintaboriboriravina.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]