Dracaena angustifolia

Ny Dracaena angustifolia dia karazana zavamaniry any amin' ny ala trôpikalin' i Azia, ao amin' ny fianakaviana Asparagaceae; tsy misy ny zanakarazana voatanisa ao amin' ny Catalogue of Life.
Any Bangladesy, mamakivaky an' i Indôsina sy Malesia ka hatrany avaratr' i Aostralia ny faritra voajanahary anirian' ity karazan-javamaniry ity.
Hazobotry ny Dracaena angustifolia, manana haavo mahatratra 3 m, misy ravina manana velarana 150-250 x 20-30 mm. Ny halavan' ny voniny mavo dia manodidina ny 20 mm.
Ampiasaina ho fandokoana sakafo maitso voajanahary ny ravin' ity zavamaniry ity.
Amin' ny teny malagasy izy io dia atao hoe hasina, hazomasina, kosina, tavivolavavy, tavivolavy, tsihasinkasina ary tsikasinkasina. Ireo anarana ireo anefa dia mety manondro karazan-javamaniry hafa ao amin' ny vondron-karazana Dracaena.