Dioscorea sansibarensis

Ny Dioscorea sansibarensis dia karazana zavamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Dioscoreaceae, izay teratany eto Madagasikara sy ao Afrika trôpikaly hatrany Tanzania andrefana ka hatrany Ginea ary hatrany atsimo ka hatrany Môzambika, ary nampidirina any an-toeran-kafa (anisan' izany ny any atsimon' i Florida).
Indreto ny anarana iantsoana azy io amin' ny teny malagasy: angitrika, fanfanga, fangahanga, fanganga, haranara, hofika, hofimamy, lepapa, makabiha, ndranara, ofaka, ary ofimamy. Atao hoe adabo koa izy io nefa antsoina amin' io anarana io koa ny hazo atao hoe Ficus sakalavarum.
Maniry avy amin' ny vody ovy izay mety mahatratra savaivo 40 sm ny Dioscorea sansibarensis. Mety hihoatra ny 7 m ny lavan' io vahy io ary mety ho 3 sm ny sakany. Mihodina manaraka zotra mifanohitra amin' ny fihodin' ny famantaranandro izy io ary afaka mihantona sy mihazona hazo na tohana hafa alohan' ny hipoiran' ny raviny voalohany. Mahatratra halava 46 sm sy sakany 58 sm ny ravina miendrika fo. Mety miafara amin' ny endrika rambo ny tendrony. Mety hiloko manopy volomparasy ny vodiny kely izay mahatratra sakany 6 sm.
Any amin' ny faritra sasany ao Afrika dia inoana ho manana hery miafina ity zavamaniry ity. Mahafaty ny vodiny.