Hankany amin'ny vontoatiny

Dioscorea bulbifera

Avy amin'i Wikipedia
Dioscorea bulbifera

Ny Dioscorea bulbifera dia karazan-javamaniry mianika, ao amin' ny fianakaviana Dioscoreaceae, teratany ao Afrika Atsinanana, mamokatra zavatra azo hanina mihantona eny ambony nefa tsy voany, toy ny vodin' ny ovy hafa. Niparitaka manerana ny morontsiraka atsinanan' ny Ranomasimbe Indianina izy io, avy eo tany amin' ny faritra mafana izay nahatonga azy ho zavamaniry manafika.

Vody mihanton' ny Dioscorea bulbifera
Vody mihanton' ny Dioscorea bulbifera

Atao hoe hofika izy io amin' ny teny malagasy. Ny ova karazany Dioscorea bulbifera var. anthropophagorum dia atao hoe hofika, hofikary, hofitra, hovika, ofaka, ary ofikary[1]. Ireo anarana ireo anefa mety hiantsoana ny karazana hafa koa. Anarana ara-tsiansa ahalalana azy koa ireto:

  • Dioscorea hoffa Cordem., 1895
  • Dioscorea lutea Griseb., 1864
  • Dioscorea sativa auct. non L., 1753, sensu Thunb., 1784

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. ↑ "Dioscorea", motmalgache.org