Dioscorea alata
Fiseho

Ny Dioscorea alata dia karazana zavamaniry ao amin' ny vondron-karazana Dioscorea ao amin' ny fianakaviana Dioscoreaceae, anisan' ny zavamaniry atao hoe ovy, izay fihinam-bodiny. Zavamaniry vahy volena indrindra any Filipina sy any Azia Atsimo-Atsinanana izy io. Miloko volomparasy ny vodiny. Ity zavamaniry ity dia hita any Etazonia, any Amerika Atsimo ary any Sina izay iheverana azy ho zavamaniry manafika.


Ankoatry ny fiantsoana azy amin' ny teny malagasy hoe "ovy" fotsiny ihany, dia indreto koa ny anarana iantsoana azy hafa: antibavimiavokanina, bemako, mavondro, ovibe, ovifantaka, ovifohy, oviharina, ovihary, ovikambarina, ovikambary, ovilava, ovimboay, ovimena, ovirona, ovisorokomby, ovitanty, ovivavy, sorokomby[1].