Diônisiôsy avy any Aleksandria

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Dionisiosy avy any Aleksandria)
I Diônisiôsy avy any Aleksandria

I Diônisiôsy avy any Aleksandria na Diônisiôsy Lehibe dia rain' ny Fiangonana, evekan' i Aleksandria sady olo-masina kristiana niaina tamin' ny taonjato faha-3.

Tsy dia misy zava-pantatra firy ny amin' i Diônisiôsy, afa-tsy izay lazain' i Eosebiôsy avy any Kaisarea. Mety tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-3 no nahaterahany tao Aleksandria. Zanaka jentilisa izy, mpianatr' i Ôrigenesy sady mpandimby ny eveka Heraklasy tao Aleksandria (taona 247). Nenjehina i Diônisiôsy tamin' ny fanapahan' ny emprerona Filipo Arabo (Marcus Iulius Philippus Augustus) (taona 248). Tamin' ny fanjakan' i Dekio (Gaius Messius Quintus Trajanus Decius) dia nialokaloka tany Libia izy. Nandritra ny fanenjehana ny Kristiana nampanaovin' ny emperora Valeriano (Publius Licinius Valerianus) dia nasesitany any Libia indray izy mandra-panafahan' i Galieno (Publius Licinius Egnatius Gallienus) azy (taona 262). Rehefa niverina izy dia nifanehatra tamin' ny fikomiana sy ny pesta. Nasaina tao amin' ny sinôdan' i Antiôkia izy (taona 264-265) nefa tsy afaka nanatrika izany noho ny fahanterany sy noho ny nahafatesany nandritra izany sinôda izany.

Ny loharano tena ahafantarana an' i Diônisiôsy dia ny asasoratr' i Eosebiôsy avy any Kaisarea atao hoe Ἐκκλησιαστικὴ ἱστορία / Ekklêsiastikê historia ("Tantaran' ny fiangonana"), izay manao tonon-tsiahy zavatra maro nosoratan' i Diônisiôsy. Ny asasoratr' i Diônisiôsy dia mahakasika ny fitondram-piangonana (pastôraly). Nanohitra ny sabelianisma izy, nefa nahiahina hio triteista ka niezaka nanaporofo ny fanarahany ny fampianaram-pinoana marina (ôrtôdôksia) tamin' ny nanoratany ny "Fanoherana sy Fiarovana ny finoana" izay nalefany tany amin' i Diônisio avy any Rôma. Ny andalana ampahatsiahivin' i Eosebiôsy dia momba ny novatianisma, ny sabelianisma, ny milenarisma ary ny epikorisma. I Diônisiôsy dia nanda ny fanondroana ny mpanoratra ny Bokin' ny Apôkalipsy ho ny Apôstôly Joany, izay heverina koa ho nanoratra ny Evanjelin' i Joany sy ny Epistily telo amin' ny anaran' i Joany.