Dinta (biby)

Ny dinta na linta, izay mamorna ny zana-kilasy Hirudinea, dia zana-kilasin' ny fisampanana Annelida, dia kankana parasitika na mpiremby, izay ahitana karazana 650 eo ho eo, manana halava 1 ka hatramin' ny 20 sm. Miaina any an-dranomamy ny ankamaroan' ny linta, fa ny karazana sasany dia hita eny an-tanety na an-dranomasina. Karazana maro no mametraka ny atodiny ao anaty tany mando, ary ny sasany dia manana tsingerim-piainana an-tany kokoa, ohatra, ka afaka miananika hazo.

Karazana 300 eo ho eo no katsentsitra vonjimaiky ny biby an-dranomasina, an-tanety, na an-dranomamy, mitroka ny ran' ny biby manana hazondamosina (Vertebrata) sy/na mitroka ny ranoka ao anatin' ny biby tsy misy hazon-damosina (Invertebrata). Karazana 100 eo ho eo no an-dranomasina ary 90 eo ho eo no an-tanety.