Dinika:Fiangonana Jesosy Mamonjy

Le contenu de la page n’est pas pris en charge dans d’autres langues.
Avy amin'i Wikipedia

Raha manana tantara voamarina tsara ianao na sary tranainy momba ny fiandohan'ny Fiangonana Jesosy Mamonjy dia azonao alefa aminay izany mba ahafahanay mandrafitra azy: Mailaka : lalamasaka@gmail.com pejy fesiboky : lalamasaka Hatry ny Ela tranokala : www.lalamasaka.com

Sosokevitra andaminana ny lahatsoratra[hanova ny fango]

Miompana loatra amin'ny fitantarana ny zavatra nataon'ireo evanjelistra mivady io endriky ny lahatsotratra amin'izao io. Tokony havondrona ny lohahevita mitovitovy.

Tahatahaka izao no tokony handaminana ny lahatsoratra

I/ Ambara amin'ny fomba fohy aloha hoe inona ny Fiangonana Jesosy Mamonjy.
Fivavahana karazany inona ny Fiangonana Jesosy Mamonjy? (katolika? ortodoksa? protestanta? pentekotista? evanjelika? sns)

Fanamarihana: Na ny maha kristiana na tsia ilay fiangonana dia tsy voaresaka ao!!

Iza no nanangana ny Fiangonana Jesosy Mamonjy. Oviana ny daty sy toerana nanorenana trano fiangonana voalohany. Arahina statistika fohy izany (isan'ny mpino, isan'ny trano fiangonana, ...).

Io fampidirana io no tokony hovakin'ny olona tsy manam-potoana na tsy maharitra hijery ny tohin'ny lahatsoratra any ambany. Famintina io.

II/ Ny tantaran'ny Fiangonana Jesosy Mamonjy
1. Ireo evanjelista mivady:
Avy aiza? Inona ny fiangonana nivavahany talohan'ny hiaviany eto Madagasikara?
Ny zavatra nataon'izy ireo teto (fitoriana, fanorenana trano fiangonana, sns)
2. Ny fanohizan'ny Malagasy ny asan'ireo evanjelistra taorian'ny nahafatesan'izy ireo

Azo zaraina vanim-potoana roa na maro ny tantaran'ny Fiangonana Jesosy Mamonjy fa tsy voatery ho io ambony io


III. Ny foto-pinoan'ny Fiangonana Jesosy Mamonjy

1. Ny fampianarana itoviany amin'ny fiangonana hafa

2. Ny fampianarana mampiavaka azy

3. Ny fampianaran'ny fiangonana hafa toheriny (raha misy)

4. Ny boky ampiasainy (Baiboly, sns)

5. Ny zavatra ataon'ny fiangonana hikarakarana ny fanahin'ny mpino

6. Ny zavara takina amin'ny mpino


IV. Ny fandaminana sy ny fanao ao amin'ny Fiangonana Jesosy Mamonjy (misy ambaratongam-pitondrana?)

1. Ny ao anaty fiangonana JM isan-toerana: sokajin'ny mpitondra fiangonanana, sokajin'ny mpanao raharaha isan-karazany, sns

2. Ny fifandraisan'ny fiangonana JM isan-toerana sy fifandraisan'ny fiangonana isam-paritra

3. Ny anjara asan'ny Foibe Ankorondrano

4. Fandaminana ny fotoam-pivavahana: hira, vavaka, toriteny, tehaka, dihy, sns (raha misy)

5. Fomba fanaovam-batisa, sns

6. Fomban'ny fiangonana hafa tsy ataon'ny FJM

7. Fomba fisintonana ny olona mba hiditra ao amin'ny FJM: toriteny ankalamanjana? fitsidihana tokantrano? fizarana boky na gazety na trakta?

8. Fifanasana tongotra? fanaovana teny tsy fantatra? sns


V. Ny fandraisana anjaran'ny FJM anjara amin'ny fiainan'ny Malagasy (ivelan'ny ara-panahy)

1. Asa sosialy: hopitaly, fitsaboana, fiantrana, sns (raha misy)

2. Fanabeazana: sekoly, fanatanjahan-tena, sns (raha misy)

VI. Ny fifandraisany amin'ny olona na ny fikambanana na fiangonana hafa

1. Fifandraisany amin'ny fiangonana hafa (amin'iza raha misy? inona ny antony raha tsy misy?)

2. Fifandraisany amin'ny fanjakana

3. Fomba fijeriny ny raharaham-pirenena (tsy ny an'ny mpino tsirairay, fa ny an'ny FJM ofisialy)

4. Misy ve ny fanilikilihana atao ny FJM na atao ny mpino ao aminy?

5. Ny fifandraisana amin'ny fiangonana na fikambanam-piangonana ivelan'i Madagasikara

6. Ny FJM manoloana ny foban-drazana malagasy

Fanamarihana:

Tsy voatery ho io ny drafitra fa mety hisy hanampian'ny mpandray anjara na hanesorany raha tsy misy

Tsara kokoa raha tohanana amin'ny lahatsoratra (boky, gazety, internet, sns) efa nivoaka ireo zavatra ambara ireo, indrindra fa izay mety hiteraka ady hevitra (na eo amin'ny samy mpino amin'ny FJM, na amin'ny olona ivenan'ny FJM), sy ny fanambaràna misy tarehimarika. Azo ampiasaina ny bokin'ny Fiangonana nefa tsy atao copier-coller. Tsy misakana ny fanaovana tonon-tsiahy (citation) izany.

Ezahina atao amin'ny teny na fomba fanoratra malagasy raha azo atao, ohatra: "Frantsa" fa tsy "France", "fanafahana" fa tsy "délivrance" (soratana hoe "delivransa" raha tena tsy misy teny malagasy mahalaza azy).--Thelezifor (resaka) 28 Aogositra 2019 à 21:14 (UTC)[répondre]

Rohy maty[hanova ny fango]

Rohy maty
Maty ny rohy http://lalamasaka.com
--Thelezifor (resaka) 28 Aogositra 2019 à 21:17 (UTC)[répondre]