Hankany amin'ny vontoatiny

Dinam-pokonolona

Avy amin'i Wikipedia

Ny dinam-pokonolona na dina dia vondrom-pitsipika manan-danja eo amin' ny fiarahamonina nentim-paharazana malagasy, sady fitaovana ho an' ny fandrindrana ny fiarahamonina sy ny fitsaram-pokonolona. Araka ny tantara dia fifanarahana iombonana ny dina, fifanarahana nifanaovan' ny samy mpikambana ao amin' ny fokonolona iray tanàna na iray faritra onenana ahitana tanàna roa na maro, izay mametraka fitsipika iraisana momba ny fitondran-tena sy ny sazy sy mihatra raha misy fandikana ireo fitsipika ireo. Mahazo ny maha ara-dalàna sy faneken' ny vahoaka azy avy amin' ny marimaritra iraisana ny dina izay maneho ny sitrapon' ny fokonolona sy mifototra amin' ny firaisankina sy ny fanajana ny soatoavin' ny fihavanana.

Amin' ny fomba fijery araka ny lalàna môderina, ny fanjakana malagasy dia manaiky ny dina ho famenon' ny lalànam-pirenena, indrindra amin' ny fandaminana ny disadisa eny ifotony (ady tany, adin' ny mpianakavy, halatra omby, sns), raha toa ka voamarina sy ankatoavin' ny tompon' andraikitra ara-pitantanana sy ara-pitsarana izany. Io fankatoavana io dia voarakitra indrindra ao amin' ny Lalàna laharana 2001-004 tamin' ny 25 Oktobra 2001, izay mifehy ny fametrahana sy fampiharana ny dina[1].

Araka izany, ny dina dia tetezana mampitohy ny fitsipika nentim-paharazana sy ny lalàna môderina, ka fitaovana iray amin' ny fitsaram-pokonolona miorina amin' ny kolontsaina malagasy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. "Loi N° 2001-004 portant réglementation générale des Dina en matière de sécurité publique", www.assemblee-nationale.mg