Diôksida-na solifara

Ny diôksida-na solifara dia tambatra simika misy ny raikipohy SO2. Izy io dia etona (raha manara ny mari-pana sy ny tsindry) tsy misy loko sy makitroka ary poizina, izay mahasosotra ny fifohana azy. Navoakan' ny volkano sy ny indostria maro ary ny fandoroana arintany sy solitany ary etona voajanahary sasany misy solifara. Ny fiaboana ôksizenina ao amin' ny diôksida-na solifara, matetika indrindra raha misy mpandrisikoto toy ny diôksida-na azôta (NO2), mitarika ho amin' ny triôksida-na solifara (SO3) sy ny asidra solifiorika (H2SO4), izany no miteraka fiforonan' ny orana asidra. Miteraka aretin' ny taovam-pisefoana izany.

Ny diôksida-na solifara dia ampiasaina hamonoana otrikaretina, hamonoana bakteria, etona fampangatsiahana, akora famotsiana, ary etona fitahirizana sakafo, indrindra ny voankazo maina, amin' ny famokarana zava-pisotro misy alikôla sy amin' ny fanamboarana divay.