Desimetatra
Fiseho

Ny desimetatra, izay hafohezina amin' ny hoe dm, dia ventin-kalavana ao amin' ny Rafitra Iraisam-Pirenena momba ny Venty, mitovy amin' ny ampahafolon' ny metatra, folo santimetatra, na zato milimetatra. Ny ventim-pandrefesana mahazatra tsy ao amin' ilay rafitra, ny litatra, dia nofaritana ho mitovy amin' ny iray desimetatra toratelo, na dia, nanomboka tamin' ny 1901 ka hatramin' ny 1964, dia nisy fahasamihafana kely teo amin' izy roa noho ny litatra nofaritana tamin' ny fampiasana ny kilôgrama fa tsy tamin' ny metatra. Ny mari-pamantarana amin' ny fetran' ny faritra tokony hilentika anaty rano amin' ny sambo dia aseho amin' ny desimetatra ho an' ny ankamaroan' ny firenena.
Kilômetatra | 0,0001 | 0,001 | 0,01 | 0,1 | 1 |
Hektômetatra | 0,001 | 0,01 | 0,1 | 1 | 10 |
Dekametatra | 0,01 | 0,1 | 1 | 10 | 100 |
Metatra | 0,1 | 1 | 10 | 100 | 1 000 |
Desimetatra | 1 | 10 | 100 | 1 000 | 10 000 |
Santimetatra | 10 | 100 | 1 000 | 10 000 | 100 000 |
Milimetatra | 100 | 1 000 | 10 000 | 100 000 | 1 000 000 |
Mikrômetatra | 100 000 | 1 000 000 | 10 000 000 | 100 000 000 | 1 000 000 000 |