Decarya
Ny Decarya dia antokon-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Didiereaceae, izay tsy fahita raha tsy eto Madagasikara. Tokana ny karazana hita ao, dia ny Decarya madagascariensis. Hazobotry na hazo izy io. Atao hoe farebaza sy marapatere izy io amin' ny teny malagasy. Mitombo hatramin' ny 6 m ny haavony, misy rantsana manana zotra minifintsofa rakotra tsilo fohy.
Teratany any amin' ny faritra Atsimo Andrefana sy Androy ary Anosy any atsimon' i Madagasikara izy io, eo anelanelan' i Toliara sy Tolagnaro. Izy io dia maniry ao anaty kirihitra na any ala misy tsilo sy maina ary ao anaty kirihitra efa simba eny amin' ny tany sokay, manomboka amin' ny haabon' ny ranomasina ka hatramin' ny haao 400 m. Matetika izy io dia maniry miaraka amin' ny karazana Didierea sy Euphorbia.

Atahorana ny fahapotehan' ny toeram-ponenany vokatry ny doro tanety, ny fanafoanana ny zavamaniry mba ho an' ny fambolena sy ny kijana firaohan' ny biby fiompy ary ny fitrandrahana be loatra azy io ho an' ny famokarana arina, ary heverina fa mihena ny isany. Ny Lisitra Menan' ny IUCN dia manombana io karazana io ho saika atahorana lany tamingana.