Hankany amin'ny vontoatiny

David Jaomanoro

Avy amin'i Wikipedia
David Jaomanoro
Ankapobeny
AnaranaDavid Jaomanoro
Teraka30 desambra 1953
ToeranaAnivorano-Nord
Maty7 desambra 2014
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaMayotte
Asa :Mpanoratra
Fiainana manokana

Ny mombamomban'i David Jaomanoro David Jaomanoro dia Malagasy, mpanoratra tantara fohy sy tantara tsangana ary tononkalo. Teraka tamin' ny 30 Desambra 1953 tao Anivorano Nord izy. Niasa tany Mayotte izy, ary maty tao tamin' ny 7 Desambra 2014.

Ny mombamomba azy

[hanova | hanova ny fango]

Jaomanoro David dia teratany Malagasy ,teraka ny taona 30 Desambra 1953 tao [[ Anivorano Nord]].Mpampianatra Sady mpanoratra no asainy ;[1]Nanoratra tononkalo izy hatrany amin' ny sekoly ambaratonga faharoa (kôlejy). Nampianatra tao amin'ny sekoly Antsiranana nandritra ny 10 taona izy, nanomboka ny taona 1972 ka hatramin'ny taona 1982[2]. Taorian' izay dia nianatra ny teny aman-tsoratra frantsay (lettres françaises) tao amin' ny École Normale Supérieure ao Antananarivo izy .

[[== N'y mari-pahaizanan'i David Jaomanoro==]]

Nahazo mari-pahaizana Diplôme d'études approfondies (DEA) momba ny literatiora izay miompana amin' ny angano nentim-paharazana malagasy tany amin' ny Oniversiten' i Limoges (Frantsa).

[[==Ny taona 1988==]]

Tamin' ny taona 1988 dia lasa mpampianatra teny frantsay tao Antsiranana izy.[2]

==Ny taona 2014==

Nodimandry tamin'ny 7 desambra 2014 tao Mamoudzou Mayotte izy.[3]

Loka sy mari-pankasitrahana

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 1987, fony mbola mpianatra izy, dia nahazo loka momba ny tononkalo noho ny fanangonana kely nataony tsy mbola nivoaka: Quat'am's j'aime ça. Taty aoriana, tamin' ny naha mpampianatra azy, dia nanoratra tantara an-tsehatra sy lahatsoratra mitsikera ny fiarahamonina momba ny sesitanin' ny Malagasy sy Kômôrianina any Mayotte izy. Namoaka tantara fohy tao amin' ny gazetiboky sy tamin' ny boky iaraha-manoratra izy. Izy no lany ho ny Olo-malazan' ny Taona 1997 (Homme de l'année 1997) teto Madagasikara tamin' ny taona 1997 teo amin' ny taranja Zava-kanto sy Kolontsaina (Arts et Culture). Na izany aza dia tamin' ny taona 2006 vao nivoaka ny amboaran-tantara fohy voalohany nosoratany: Pirogue sur le vide.[2]

Ao amin' ny tohan-kevitra nataon' i Fara Lee Rabenarivo, dia voasokajy ho "anisan' ny mpanoratra malaza tamin' ny taranaka farany" i Jaomanoro.

Ny sasany amin' ny tantara fohy nosoratany dia nadikan' ilay mpandika teny neerlandey Marjolijn de Jager amin' ny teny anglisy.

Sangan' asa

[hanova | hanova ny fango]
  • 1987 – Quatram's j'aime ça, inédit.
  • 1988 – Le dernier caïman (théâtre) inédit[4]
  • 1988 – J'ai marché dessus Radio France Internationale (XVIe concours théâtral interafricain), édition ronéotypé
  • 1990 – La Retraite, théâtre, éditions Promotion Théâtre, Carnières-Morlanwelz - rééd. 2006, Lansman, (ISBN 2-87282-516-9)[5]
  • 1991 – Docteur parvenu, Les Carnets de l'exotisme
  • 1992 – Funérailles d'un cochon et 13 autres nouvelles (collectif), Éditions Sepia, (ISBN 978-2907888455)[6]
  • 1997 – Joambilo, Revue Noire[4]
  • 2006 – Pirogue sur le vide et autres nouvelles, Éditions de l’Aube, (ISBN 978-2752601797),[4]
  • 2011 – Publics d’alphabétisation à Mayotte, essai, Éditions universitaires européennes. (ISBN 9786131587979)
  • 2013 – Le Mangeur de cactus (récit) Éditions L’Harmattan, (ISBN 978-2336301877)
  • 2017 – Œuvres complètes : Poésie, Théâtre, Nouvelles, éd. Dominique Ranaivoson, Éditions L’Harmattan, (ISBN 9791033401254)

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]