Hankany amin'ny vontoatiny

Datura stramonium

Avy amin'i Wikipedia
Datura stramonium

Ny Datura stramonium dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Solanaceae. Mampahatsiahy ny endriky ny voniny na ny poizina ao amin' ilay zavamaniry ny anarany amin' ny fiteny maro. Ny fitelemana azy dia mahatonga fahitana zavatra tsy misy, fihetsika tsy mahazatra, fisavoritahana ara-tsaina, fahaverezan' ny fitadidiana ary fibedibedy, izay indraindray mitarika ho amin' ny tsy fahatsiarovan-tena mitohy ary avy eo ny fijanonan' ny fo sy ny fijanonan' ny taovam-pisefoana. Ity zavamaniry ity dia hita any amin’ ny tany nilaozana, eny an-tsaha, eny amoron-dalana ary indraindray eny amin’ ny zaridainam-panjakana aza.

Fanoritsoritana

[hanova | hanova ny fango]

Ankapobeny

[hanova | hanova ny fango]
Datura stramonium

Zavamaniry isan-taona ny Datura stramonium, mahatratra 30 sm hatramin’ ny 2 m ny haavony, misy fofona maimbo.

Ny raviny

[hanova | hanova ny fango]

Ny raviny dia somary lehibe, hatramin' ny 20 sm, miendrika lohan-tsotro, manana nifinify maranitra ary tsy mifandanja havia sy havanana ny fotony.

Ny voniny

[hanova | hanova ny fango]
Vonin' ny Datura stramonium
Vonin' ny Datura stramonium

Ny voniny, mitokana, amin' ny ankapobeny fotsy na mavo, 7 hatramin'ny 12 sm ny halavany miaraka amin' ny vondrom-pelambony mitambatra ho fantsona misokatra toy ny trompetra misy felany dimy misy tsy tena misongadina, ary ny vondron-dravimbony dia mamorona fantsona dimy zoro misy maitso hatsatra, fohy kokoa noho ny vondrom-pelambony. Ny zana-karazany iray dia misy voniny volomparasy.

Voan' ny Datura stramonium matoy
Voan' ny Datura stramonium

Ny voany miendrika atody, izay masaka amin' ny Jolay ka hatramin' ny Oktobra, dia mitsangana, rakotra tsilo lava sy mafy nefa mety tsy misy azy ireo ihany koa (Datura stramonium var. inermis sy Datura stramonium var tatula). Izy io dia misy hodiny mafy izay misokatra rehefa matoy ka mizara efatra mampiseho ny vihy ao anatiny. Ny vihy miendrika voan-kena, mirefy 3 hatramin' ny 4 mm ny halavany, dia mainty ary misy tsimoka miolikolika ny ao anariny.

Zana-karazana sy endrika

[hanova | hanova ny fango]

Araka ny voalazan' ny Tropicos (18 Aogositra 2015) (Fampitandremana: lisitra mety misy teny mitovy hevitra):

  • Datura stramonium var. canescens Roxb.
  • Datura stramonium var. chalybaea W.D.J. Koch
  • Datura stramonium var. godronii Danert
  • Datura stramonium var. inermis (Juss. ex Jacq.) C.E. Lundstr.
  • Datura stramonium var. stramonium
  • Datura stramonium var. tatula (L.) Torr. [1824]

Fisiany eto Madagasikata

[hanova | hanova ny fango]

Anarany amin' ny teny malagasy

[hanova | hanova ny fango]
Voan' ny Datura stramonium

Ny anaran' ny Datura stramonium (Datura tatula) amin' ny teny malagasy dia itambarany amin' ny karazana Datura hafa. Indreto ireo anarana ireo: kirary, ramiarana, voandramiary[1][2]. Karazana nampidirina izy io[2].

Toerana aniriany

[hanova | hanova ny fango]

Karazan-javamaniry mahazatra eto Madagasikara ny Datura stramonium, izay heverina ho ahidratsy amin' ny voly na any an-tany foana[3][4]. Fahita any amin' ny toeram-pambolena any afovoan-tanin' i Madagasikara izy io.

Fampiasana azy

[hanova | hanova ny fango]

Eto Madagasikara sy ao Afrika Trôpikaly dia ampiasaina amin' ny fitsaboana ny sohika, ny kohaka, ny raboka ary ny sita ny Datura. Fohina toy ny sigara ny raviny sy ny voniny maina. Ity zavamaniry ity koa dia ampiasaina amin' ny fampitoniana ny olona manana aretin-tsaina.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. "Datura stramonium L.", Projet Pl@ntNet
  2. 1 2 "Datura stramonium (jimsonweed)", CABI Compendium
  3. "Datura stramonium L.", portal.wiktrop.org
  4. "Datura stramonium (DATST)", EPPO Global Database