Datura

Ny Datura dia vondron-karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Solanaceae, izay hita betsaka any Meksika sy any atsimo-andrefana amin' i Etazonia. Karazana maro no ambolena ary lasa zatra ny faritra manana toetany antonony sy toetany mafana eran' izao tontolo izao. Misy karazany folo eo ho eo fantatra ny ao amin' ny vondron-karazana Datura. Be alkalôida ireo zavamaniry ireo amin' ny taovany rehetra (fakany, tahony, raviny, voniny, voany, sns), misy poizina nefa mahaliana amin' ny lafiny farmakôlôjika.
Lisitry ny karazana
[hanova | hanova ny fango]
Tsy manaiky afa-tsy karazana Datura 9 i Preissels, manam-pahaizana manokana momba ny Datura, fa ny Plants of the World Online amin' izao fotoana izao dia mitanisa ireto 14 manaraka ireto (tsy tanisainy ny Datura arenicola, ny Datura lanosa, ary ny Datura pruinosa izay karazana ekena ao amin' ny The Plant List).
- Datura arenicola Gentry ex Bye & Luna
- Datura ceratocaula Ortega
- Datura discolor Bernh.
- Datura ferox L.
- Datura innoxia Mill.
- Datura kymatocarpa Barclay
- Datura lanosa A.S.Barclay ex Bye
- Datura leichhardtii Benth.
- Datura metel L.
- Datura pruinosa Greenm.
- Datura quercifolia Kunth
- Datura reburra Barclay
- Datura stramonium L.
- Datura wrightii Regel
Karazana misy eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Ny Rakibolana sy Rakipahalalana malagasy dia mitanisa ireto zavamaniry ireto: Datura alba, Datura arborea, Datura fastuosa, Datura metel, Datura tatula. Efa lany andro ny ankamaroan' ireo anarana ireo, afa-tsy ny hoe Datura metel. Nesorina tsy ho anisan' ny Datura ny Datura arborea taty aoriana ka napetraka ao amin' ny vondron-karazana Brugmansia sady nomena ny anarana hoe Brugmansia arborea). Izao kosa ny anarana vaovaon' ny sisa (telo):
- Datura alba: anarana taloha izay efa nosoloana ny Datura innoxia ou Datura metel (?)
- Datura fastuosa; anarana taloha izay efa nosoloana ny Datura metel var. fastuosa
- Datura tatula: anarana taloha izay efa nosoloana ny Datura stramonium f. tatula
Indreto kosa ny teny malagasy ilazana azy ireo izay tsy voatery hifanandrify amin' ny karazana tokana: kinakoho, kinananakoho, kirary, maimbobe, ramiarana, romiary, fangarearea, voandramiary. Ny teny hoe "maimbobe", ohatra, dia anarana manondro karazana maro ao amin' ny vondron-karazana na fianakaviana samihafa.