Hankany amin'ny vontoatiny

Dally Randriantefy

Avy amin'i Wikipedia

Endrika:Infobox Joueur de tennis

Dally Randriantefy
Ankapobeny
AnaranaDally Randriantefy
Teraka23 Febroary 1977
ToeranaAntananarivo
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaMadagasikara
Asa :Mpilalao tennis
Asa hafaTale Teknika Nasionaly
Fiainana manokana
Seha-pitiavanaManambady

Dally Randriantefy, teraka ny 23 Febroary 1977 tao Antananarivo dia mpilalao tenisy matihanina nanomboka ny taona 1994 ka hatramin'ny taona 2006. Mizaka ny zom-pirenena Malagasy izy.

Laharana faha 44 maneran-tany tamin'ny Aprily 2005. Solontenan'ny fireneny tsara indrindra teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena izy ary mpilalao Afrikana Atsimon'i Sahara anisan'ny tsara toerana indrindra tamin'ny vanim-potoanan'ny Open.

Tantaram-piainany

[hanova | hanova ny fango]

Fony izy teo amin'ny sokajy zandriny indrindra, dia tafiditra ho isan'ny finalista tao amin'ny Les Petits As tamin'ny 1991, rehefa resin'i Martina Hingis, izay ho laharana voalohany maneran-tany tato aoriana.

Intelo izy no nahatratra ny dingana fahatelo tamin'ny fifaninana ho an'ny olon-tokana tamin'ny Grand Slam . Ny zava-bitany tsara indrindra teo amin'ny WTA dia ny lalao manasa-dalana roa tany Acapulco sy Strasbourg tamin'ny taona 2005. Nandresy im-polo ihany koa izy tao amin'ny ITF, im-pito tamin'ny olon-tokana ary intelo tamin'ny lalao olon-droa miaraka ho an'ny vehivavy. Tsara homarihina fa nahazo ny anaram-boninahitra tao Denain sy Bordeaux izy tamin'ny taona 2002.

Nandray anjara tamin'ny Lalao Olaimpika tany Barcelone tamin'ny 1992 sy ny Lalao Olaimpika tany Atlanta tamin'ny 1996 izy. Nifaninana tamin'ny lalao tokana sy olon-droa miaraka ho an'ny vehivavy niaraka tamin'i Natacha zandriny ary avy eo tamin'ny Lalao Olaimpika tany Atena tamin'ny 2004, nifaninana tamin'ny lalao tokana ihany koa. Izy no nitondra ny fanevan'ny delegasiona Malagasy tamin'ny Lalao Olaimpika tamin'ny 1996.

Nandresy tamin'ireo mpilalao izay ambony lavitra noho izy na izay nanana laharana tsara kokoa noho izy, tamin'ny famaranana ny fifaninanana ITF tao Joué-lès-Tours.

Nisotro ronono tamin'ny fanatanjahantena izy taorian'ny faharesena tamin'ny fihodinana voalohany tamin'ny Australian Open 2006 nanoloana an'i Akgul Amanmuradova .

Randriantefy no hany mpilalao Malagasy tafiditra tao anatin'ny 50 voalohany tamin'ny laharan'ny WTA.